Ny tantaran’ny Paska sy ny atody ?

Mandritra ny vanim-potoan’ny Paska toy izao dia hita mirenty eny amin’ny tsena eny ny atody voaravaka na voaloko; mety ho tena atody akoho izy io, mety ho vita amin’ny sokolà ihany koa. Manjifa izany avokoa ny olona maneran-tany na kristiana na tsia. Fa avy aiza moa no niandohan’izany tantaran’ny atodin’ny Paska izany?

Taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy no efa zatra nifanolotra atody voaloko ny Egyptiana sy ny Persiana ho mariky ny fihavaozam-piainana. Tamin’ny fiafaran’ny ririnina any an-toerana sy ny fiandohan’ny andro mafana no nanaovana izany fomba izany satria eo no manomboka velom-bolo daholo indray ny zava-boary rehetra rehefa avy niaritra ny hatsiaka mamirifiry. Tamin’ny vanim-potoana taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy kosa dia noraran’ny fiangonana katolika ny fihinanana atody mandritra ny karemy. Teo indrindra no niandohan’ny atodin’ny Paska; satria ny akoho tsy voarara tsy hanatody, koa nangonin’ny olona ny atody latsaka nandritra ny karemy ary nifampizarana sy nohanina tamin’ny andron’ny Paska izay andro voalohany nahafahana nihinana azy indray. Noho izay atody nanjary fanomezana nifanolorana izay no nahatonga ny olona nandravaka sy nandoko azy mba hampitombo ny fifaliana. Ny fiangonana ortodoksa indray dia manomboka mandoko mena midorehitra izay atody latsaka voalohany ny Alakamisy masina satria inoany fa mitondra fanambinana izany, ny sisa kosa lokoiny misoratsoratra marevaka. Rehefa mifanolotra izany izy ireo amin’ny marain’ny Paska dia mifampiarahaba manao hoe: “Nitsangana tamin’ny maty Kristy!”

Raha manana fomba toy izany ny jentilisa sy ny kristiana sasany, ny antsika kristiana FJKM dia mazava ny fotokevitra amin’ny maha fiangonana reforme antsika fa izay lazain’ny Soratra Masina irery ihany no izy. Ny Eksodosy 12,15-20 izay milaza ny fifadiana ny masirasira mialohan’ny fivoahana ny tany Egypta dia manambara ny fifadiana ny ratsy rehetra mandritra ny karemy fa tsy fifadiana karazan-tsakafo akory. Hoy Jesoa: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana”, Jaona 11,25. Noho izany dia ao amin’i Jesoa Kristy Ilay nandresy ny fahafatesana tamin’ny Paska ihany no ananan’izay mino Azy fiainam-baovao fa tsy avy amin’ny atody akory. Araka izany, raha hifanolotra fanomezana amin’ny andro Paska ihany, tsy atody voaravaka sy voaloko na sokolà miendrika atody no tsara atolotra fa ny Filazantsara. Jesoa Kristy Ilay nanolotra ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana no fanomezana sarobidy indrindra, ary fandresena sy fifaliana ary fiainana mandrakizay no azon’izay mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy.

Niry Rakoto, SF

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV