Fanomanana sy Fiofanana

Ao amin’ny Fiangonana :  

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia manana ny voambolana fampiasany andavanandro ka ahafantarana avy hatrany ny olona iray ho FJKM raha vao miresaka. Ireto misy vitsivitsy: Mpitandrina fa tsy Pastora, Fivelomana fa tsy Karama, Diakôna fa tsy Diàkona, Krismasy fa tsy Noely, Filoha Mpanampy fa tsy Filoha lefitra, … sy ny sisa maro tsy voatanisa.

Koa indro aroso ny mpamaky ny fisian’ny fanomanana sy fanofanana ato amin’ny FJKM araka ny fanehoan’ny Fotodalana sy Fitsipika azy.

Na ny fanomanana na ny fanofanana dia asa omena ny Fiangonana mba hananany fahalalana sy hahaizana ary fiainana ho entiny manantanteraka ny andraikiny. Na izany aza, misy ny mahasamihafa azy roaroa. Ny FANOMANANA dia omena ny Fiangonana mba hahazoany manatanteraka FANOMPOANA manokana eo an’ivon’ny Fiangonana. Mitaky fotoana maharitra kokoa ny faharetan’ny fanomana.

Fa ny FANOFANANA kosa dia omena ireo sokajin’olona manokana mba hahazoany manatanteraka ny ANDRAIKINY. Fotoana voafetra no andraisan’ny Fiangonana ny fanofanana.

Ny Fotodalana, Toko Faharoa no anambarana ny amin’ny ankapobeny momba ny Fiangonana tsirairay. Fiangonana olona no ao an-tsaina amin’izany. Velabelarin’ny Fitsipiky FJKM ny amin’io Fotodalana momba ny Fiangonana tsirairay io ka amoahany fitsipika ao anaty toko miisa telo. (Toko faharoa: Vahoakan’Andriamanitra, Toko fahatelo: Fanomezam-pahasoavana, fanompoana, asa; ary ny toko fahaefatra: fanomanana sy fiofanana ao amin’ny Fiangonana. Raha ampifanatonina ireo dia azo faritana toy izao ny Fiangonana: Ny Fiangonana dia vahoakan’Andriamanitra manana fanomezam-pahasoavana sy fanompoana ary asa, noraisiny tamin’ny alalan’ny fanomanana sy fanofanana.

  • NY FANOMANANA

Raha ny Fitsipiky ny FJKM, Toko fahaefatra, ny Fanomanana dia tanterahin’ny fiangonana eny anivon’ny toerana manokana, toy ny Toeram-panomanana Mpitandrina sy Mpampianatra ary ny SEkoly FAnomanana LAika.

Araka izany, ny fanomanana sahanin’ny FJKM dia ny fanomanana ho an’ireo izay hanao asa manokana. Asa manokana toy ny asan’ny Mpitandrina (Fitsipiky ny FJKM And. 109 ka hatramin’ny And. 124), Mpampianatra ho an’ny Sekoly FJKM (Fitsipiky ny FJKM And. 125 ka hatramin’ny And. 126), Mpitoriteny sy Mpiandry ary Katekista (Fitsipiky ny FJKM And.130 ka hatramin’ny And. 149), Masera (Fitsipiky ny FJKM And. 150 ka hatramin’ny And. 152)

Miavaka kosa ny Fanomanana ny Diakona (Fitsipiky ny FJKM And. 127 ka hatramin’ny And. 129) izay tanterahina any anivon’ny Fitandremana tsirairay ihany sy ny fanomanana tomponandraikitra hafa any anivon’ny Departemanta sy ny Sampana sy Sampanasa ary Asa ao amin’ny Foibe (Fitsipiky ny FJKM And. 153 ka hatramin’ny And. 155). Ohatra amin’ity fanomanana farany ity ny fanomanana Mpiandraikitra SAMPATI, Rantsana Vokovoko Manga, Mpampianatra Sekoly Alahady any amin’ny SAMM (Sekoly Alahady Manomana Mpampianatra), sy ny hafa….

  • NY FANOFANANA

Asa miantefa manokana amin’ireo tompon’andraikitra ny fanofanana, kanefa mahatratra ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo ihany koa.

Ao ny fanofanana ho an’ny Mpitandrina am-perin’asa (Fitsipiky ny FJKM And.156 sy ny and. 157) sy ny Mpampianatra am-perin’asa ary ny Mpiasan’ny fampandehanan-draharaha ao aminy (Fitsipiky ny FJKM and. 158 sy ny And. 159).

Ao ny fanofanana natokana ho an’ireo tompon’andraikitra any anivon’ny Sampana sy ny Sampanasa ary asa sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka izay ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM and. 160 hoe: “Adidin’ny isan’Ambaratongan-drafitra sy ny Sampana sy Sampanasa ary Asa tsirairay ny mamolavola fandaharam-panofanana ho an’ireo Tompon’andraikitra ao aminy. Hanana fandaharanasa sy tetiandro ho amin’izany ireo sehatra ireo”.

Ny fanofanana ho an’ny Mpitandrina amperin’asa dia ikendrena indrindra ny ho “fampitomboana ny fahalalana sy fahaiza-manao ary ny aim-panahin’ny Mpitandrina amperin’asa”

Fa ny fanofanana ho an’ny Mpampianatra amperin’asa sy ny Mpiasan’ny fampandehanan-daharahan’ny sekoly kosa dia mikendry ny ho fanolokoloana sy ho fitaizana azy ireo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.

RASORAPIANGONANA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV