Sabotsy 20 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 14.32-54

Mampianatra sy mitaona antsika i Jesoa Kristy eto fa na dia Izy aza tsy mandeha araka ny heriny , ny fahalalany , ny sainy sy izay tiany ho natao fa nahay nametraka ny zava-manjo Azy tamin’ Andriamanitra Rainy : « Aba ,Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao, esory amiko ity kapoaka ity , nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao. »

Inefatra miverina eto ny teny iray tarika amin’ny hoe : vavaka , izay midika ho fametrahana sy fiankinana feno amin’Andriamanitra , fanekena ny sitrapony . I Jesoa hatrany no manatanteraka izany eto: maneho Izy ny maha- modely , fitaratra Azy na amin’ny faharetana , na main’ny fiaretana na amin’ny fahafoizam-potoana , na ny fihetsika . Manaporofo izany ireto teny ireto: »Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako… niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka  » . Noho izany, fianteherany sy fiankinany tamin’Andriamanitra Rainy izany , na dia sarotra aza ny miandry Azy , na dia mafy aza ny hanjo azy dia tsy nahakivy , na nahaketraka , na nampiraviravy tànana Azy izany . Mitaona antsika izany hahay hametraka ny adintsika , ny fanahiantsika , ny tahotsika an’ Andriamanitra , ilay azo antoka fa tsy handao antsika na oviana na oviana .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV