Alakamisy 18 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 6.14-29

Nisy olona roa eto: i Jaona mpanao Batisa sy ny renin’ilay zanakavavin’i Herodiasy . Inona no iombonan’izy ireo ary inona no maha-samy hafa azy koa?

Samy nanoro hevitra na nanolo-tsaina izy ireo no sary aseho teto amin’ity hafatra ity , saingy :

-Nanana fahasahiana nanitsy na nanoro làlana an’i Heroda mpanjaka i Jaona mpanao batisa tsy mati-kena-maso teo anatrehan’ny manam-pahefana tamin’izay tsy nety nataony na nokasainy hatao. Niteny an’i Heroda mpanjaka i Jaona : « Fa Jaona efa nilaza tamin’i Heroda hoe: diso ianao raha manambady ny vadin’ny rahalahinao » (and18).

-Nanolo-tsain-dratsy an-janany kosa ilay renim-pianakaviana : « Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy ny reniny : ny lohan’i Jaona mpanao batisa » (and 24)

Noho izany ,  » …Heroda natahotra an’i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy , ka dia niaro azy izy , ary nandre azy izy dia very hevitra be ihany , ary nihaino azy tamin’ny hafaliana izy » . Mila mitandrina anefa isika eo anatrehan’izay fientanam-po samihafa tsy voahevitra , mitarika antsika amin’ny heloka amam-pahotana . Ny feon’i Jesoa Kristy irery ihany no henoy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV