Alakamisy 18 Aprily 2019.
Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 6.14-29
Nisy olona roa eto: i Jaona mpanao Batisa sy ny renin’ilay zanakavavin’i Herodiasy . Inona no iombonan’izy ireo ary inona no maha-samy hafa azy koa?
Samy nanoro hevitra na nanolo-tsaina izy ireo no sary aseho teto amin’ity hafatra ity , saingy :
-Nanana fahasahiana nanitsy na nanoro làlana an’i Heroda mpanjaka i Jaona mpanao batisa tsy mati-kena-maso teo anatrehan’ny manam-pahefana tamin’izay tsy nety nataony na nokasainy hatao. Niteny an’i Heroda mpanjaka i Jaona : « Fa Jaona efa nilaza tamin’i Heroda hoe: diso ianao raha manambady ny vadin’ny rahalahinao » (and18).
-Nanolo-tsain-dratsy an-janany kosa ilay renim-pianakaviana : « Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy ny reniny : ny lohan’i Jaona mpanao batisa » (and 24)
Noho izany , » …Heroda natahotra an’i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy , ka dia niaro azy izy , ary nandre azy izy dia very hevitra be ihany , ary nihaino azy tamin’ny hafaliana izy » . Mila mitandrina anefa isika eo anatrehan’izay fientanam-po samihafa tsy voahevitra , mitarika antsika amin’ny heloka amam-pahotana . Ny feon’i Jesoa Kristy irery ihany no henoy.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6