Zoma 12 Aprily 2019.
Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA
Marka 4.1-12
Nanokana fotoana mihitsy nitoriana teny tamin’ny vahoaka i Jesoa.
1-Ireo vahoaka marobe no nasainy HIHAINO Azy .
Tamin’ny alalan’ny fanoharana no nitenenany tamin’izy ireo . Tantara noforonina niainga avy amin’ny fiainana andavanandro fa natao hanazavana fahamarinana mahakasika ny fanahy na ny fiyondrantena ny fanoharana. Tondroina matetika amin’ny hoe: »fanoharana ny amin’ny mpamafy » ity. Mahazo laka eto amin’ity fanoharana ity ny teny hoe: « Mihainoa » (and3).
Karazana tany 4 samy hafa no nilatsahan’ny voa : tany amoron-dàlana (and4) , toerana be vato (and5) , tany be tsilo (and7) ary tany lonaka (and8) . Raha tianao hamokatra eo amin’ny fiainanao ny Tenin’ Andriamanitra dia manaova fanahy iniana « mihaino » azy.
2-Nomena anjara manokana ny mpianatra
Nahazo tombony ny mpianatra , teo izy 12 lahy fa nahazo koa ireo « olona nomba Azy » (and10) . Nomena azy ireo ny hahalala ny zava-miafin’ny fabnjakan’ Andriamanitra (and11). Mampitandrina i Jesoa fa misy làlan-tsaina mazava ny fihainoa. Rehefa tena mihaino dia mibebaka ary dia voavela heloka (and12) . Rehefa tsy mihaino diantsy hibebaka ary dia tsy havela heloka . Tsy mety ny hoe: tsy manaiky hihaino nefa mitady mba havela heloka.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6