Talata 09 Aprily 2019.

Fandalinana ny Boky MARKA

Marka 2.18-28

I Jaona (mpanao Batisa) no nanao Batisa an’i Jesoa , nefa samy hafa ny fomba fanaon’ny mpianatr’i Jesoa sy ny mpianatr’i Jaona.

1-Nahoana ny mpianatr’i Jesoa no tsy mba mifady hanina?

Saritsarin-teny no namalian’i Jesoa fa « mbola hifady hanina ihany ireo «  (and19). Misy fotoanany ny zavatra rehetra (and20) .Ny fanatrehan’i Jesoa dia fotoam-pifaliana toy ny fampakaram-bady ka tsy fotoana hifadian-kanina . Fa rehefa lasa Izy , hifady hanina ihany ny mpianany. Fampianarana vaovao mihitsy no entin’i Jesoa . Noho izany ,Olom-baovao sy fomba fisaina sy fiaina vaovao no hitarihany antsika momba ny fifadian-kanina (and22).

2-Ahoana indray ny amin’ny Sabata ?

Toy ny mitati-bolana amin’i Jesoa ny Fariseo . Heveriny fa tsy hitan’ny mpampianatra ny nataon’ny mpianany teny an-tanimbary tamin’ny andro sabata. Hoy izy ireo : « jereo… » (and 24) fa mandika ny lalànan’ny sabata ianareo . misy antony manamarina ny nihinan’ny mpianatra tamin’ny sabata , hoy i Jesoa (and26).Tsy natao hangeja sy hankaleo ny fitandremana ny sabata , izay Andriamanitra no nanome izany ho an’ny olona . Fitsaharana ao amin’i Kristy ny sabata (Heb 4.9) . I Jesoa no tena sabata fa tsy andro akory.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV