CWM / Hafatra

Ry mpiara-Miasa ao amin’ ny asa fanompoana:

Miarahaba anareo izahay amin’ ny anaran’ ny Tompo Kristy.

Mitsena antsika amin’ny vaovao mampalahelo ny vanim-potoan’ ny ‘’karemy’’ tao Mozambika sy Malawi ary Zimbabwe amin’ ny faharavana nentin’ny rivo-doza “Idai” izay namoizana ain’olona an-jatony, nandrava fivelomana, ary namela fianakaviana tsy tambo isaina ho tsy manan-kialofana sy rava fananana.  Mitsena antsika amin’ny vaovao mampalahelo bebe kokoa ny Christchurch any Nouvelle Zélande, ary Utrecht any Holandy, izay nitifirana sy namonoana olona tao anatin’ny fitroarana tsy misy antony ka nahafatesana sy naharatrana olona maro ary nampikorontan-tsaina.

Koa amin’ny anaran’ny  tomponanandraikitra sy ny fianakavian’ny CWM iray manontolo, dia miantso ny fiangonana mpikambana rehetra ao amin’ny CWM mba hiray hina amin’ ny fiangonana any Mozambika sy Malawi ary Zimbabwe, izay mitaky fanampiana amin’ny maha-olona fotsiny ho fanombohana.

 Ho lava sy haharitra ny làlana mankany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainana ary tsy maintsy handraisana fepetra hentitra sy matipaika ny fanohanana ireo fitondram-panjakana sy ny vahoaka any amin’ireo firenena  ireo.

Telo amin’ny fiangonana mpikambana ao amintsika no voakasik’ izany :  ny Fiangonan’ i Kristy ao Malawi, ny Fiangonana Presbiteriana Mitambatra ao Afrika Atsimo sy ny Fiangonana Kongregasionaly any amin’ny faritra atsimon’ i Afrika.  Efa nahazo vaovao fa maro amin’ny olona avy amin’ireto fiangonana ireto no iharan’io toe-javatra io mivantana.

Izahay dia eo am-piresahana amin’ny mpikambana mba hamantatra izay fomba tsara indrindra tokony atao momba ity toe-draharaha ity ary hahafaly anay ny hanome vaovao anareo rehefa mihamazava aminay izany.

Ao anatin’  izany, dia manao antso avo ho amin’ny ny fanohanana ara-bola avy aminareo mba hanehoana valinteny matanjaka sy iombonana avy amin’ ny CWM.  Azonareo alefa mivantana ny anjara birikinareo any amin’ny Birao ao  Singapour na any amin’ny Royaume-Uni(UK) izay mety ho mora kokoa ho anareo. Amin-kafaliana no handrindranay ny ezaka tokony atao ka hanoroanay anareo ny fivoaran’ny toe-draharaha araka ny fisehony.

Mankasitraka ny asa miaraka efa notanterahan’ny governemanta sy ny mponina ao Nouvelle Zélande sy ny any Holandy izay nivondrona mba hanohanana ireo niharam-boina tamin’izao heloka bevava fankahalana izao ; ary nanao dingana goavana izy ireo mba hilazana ny fampihorohoroana araka ny tokony hiantsoana azy izao – heloka bevava eo anatrehan’ny maha-olombelona – ary tsy fanomezana toerana ho an’ny fomba fijery hafa. Isika dia miombom-peo amin’ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana misy antsika – ny Fiangonana Presbyteriana ao Aotearoa Nouvelle Zélande (PCANZ), ny Fiangonana Kongregasionaly ao Nouvelle Zélande (CUNZ) sy ny Fiangonana Protestanta ao Holandy (PKN) – manoloana ny famoahany ity fitarainany ity ; kanefa ihany koa, eo amin’ny fomba hiarovana ny fiarahamonina izay miatrika ireo fanafihana ireo. Manana namana maro isika ao Christchurch izay toerana iasan’ny PCANZ sy ny CUNZ mafy tokoa ; ary dia tena akaiky ny foiben’ ny PKN ny fanafihana tao Utrecht.

Mangataka vavaka avy amin’ny mpino  rehetra, avy amin’ny mpikambana ao amin’ny  Fiangonana ao amin’ ny CWM, ho an’ ireo izay mijaly noho ny fahalasanan’ ireo olon-tiana, na ny amin’ny faharavana nateraky ny rivo-Doza Idai tao Mozambika sy Malawi ary Zimbabwe, na ny fanafihan’ ny mpampihorohoro tao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy sy Utrecht.  Aoka isika hijoro amin’ ny firaisan-kina miaraka amin’ ireo izay sisa velona voakasik’  ireo loza izay tafahoatra loatra ka mitaky fotoana ho amin’ ny fanasitranana sy famerenana amin’ ny laoniny. 

Koa raha miandrandra Zoma masina sy hankalaza ny Paska  isika, dia mampahatsiahy antsika fa nahatsiravina io vanim-potoana io, sahala amin’ny fotoana nanakaiky ny nanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana ; saingy nanao ahoana moa ny herimpo nasehon’i Jesoa teo anoloan’ilay hazofijaliana ary nanao ahoana ihany koa  ny hatsaran’ny hiran’ny fandresena nataon’ireo mpianatra voalohany raha nitantara ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo.  Isika dia olon’ ny fitsanganana amin’ ny maty izay mahafantatra ny fanaintainana sy ny tolona tamin’ny andron’ny Zoma Masina.

Midika izany fa isika mijoro marina tokoa eo amin’ ny faharesen-dahatra fa tsisy afaka hanasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra (rom. 8: 31-39) ary na dia nozonina aza isika dia tsy rava (2 kor. 4).

 Andriamanitra anie hanasitranana amin’ ny famindram-pony ireo izay voakasiky ny loza ; enga anie hotovin’ Andriamanitra ho amin’ireo rahavavy sy rahalahintsika ao amin’ ny CWM aty amin’ ny faritra Afrika, Pasifika sy Europe ny fahasoavana, mba hijoro ho matanjaka amin’ ny finoana sy ho vavolombelona; ary enga anie hotovin’ Andriamanitra amintsika rehetra ny finiavana hamaly ny fanohanana ireo izay niharan’ ny fahavoazana naterak’ireo zava-nitranga izay nitarika ny alahelo sy ny fanaintainana be.

Ao anatin’ ny vavaka ary amin’ ny alalan’ ny finoana.

Cowan Collin j.

Ny Sekretera Jeneraly

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV