Alatsinainy 18 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 14.1-20

Singanintsika amin’izay novakintsika ireto :

1- Tsy manova ny maha-mpaminanin’ny Tompo azy ny fahantran’ny mpanompony.

Tsy hanontany isika hanao hoe: nahoana re i Ahia mpaminany no dia pahina ny masony noho ny fahantrany  » (and4). Fa izao :tsy niova ny maha-mpaminany marina azy . Fampaherezana ny mpitory ny Filazantsara mety hahita fahantrana izany . Aza miova fa torio marina ihany ny Tenin’ny Tompo.

2-Tsy miova mihitsy ny fepetran’ Andriamanitra .

Nanota i Solomona tany aloha dia naniraka niteny azy ny tompo ; izao indray : nanota i Jeroboama dia naniraka olona hiteny azy mafy koa ny Tompo. Mahamenatra fa tsy miova amin’ny fahamarinana takiny ny Tompo ary tsy miova amin’ny fahamafim-pony koa na dia ny olona notahiany sy nasiany soa manokana aza.

3-Nalain’ Andriamanitra ilay zaza tsara tao anaty fanakaviana ratsy . Mampieritreritra lalina ny filazana momba an’i Abia, zanak’i Jeroboama manao hoe: « amin’ny tamingan’i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana , satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely » (and13) .Hay ve misy olona tsara alain’ny Tompo noho ny fahatsarany e!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV