Sabotsy 16 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 13.1-13

Mahavelona fatratra ity tantara ity

1-Tsy sasatra mampiteny amim-pahasahiana ny Tompo .

Naniraka mpaminany hiteny sy hanao fahagagana hampino an’i Jeroboama ka hamerina azy amin’ny làla-marina ny Tompo. Ny fahagagana nampitresaka ny alitara sy ny nahamaina ny tànan’i Jeroboama dia samy porofo tsy azo lavina ny maha- mpaminany marina ity lehilahy niteny ity . Ary fitiavan’ny Tompo an’i Jeroboama izany , fitiavana azy toy ny mbola nanekeny hihaino ny fifonan’ilay mpaminany ho azy ka nahasitrana indray ny tànany . Izany no famindrampon’ Andriamanitra amintsika mpanota maditra sy mafy fo ka mbola nanomezany antsika an’i Jesoa zanany .

2-Sahirana amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Tompo ilay mpaminany .

Ny teny marina azony dia izao: aza mihinana! Nanasa azy ny mpanjaka fa nandà izy. Izany hoe: mbola nahajoro izy. Fampitandremana lehibe ho antsika izany : na olona mitonona ho mpanompon’ Andriamanitra izao aza no nampanao anao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra dia hampahafantariny anao : aza manao! « Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15.58).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV