Zoma 15 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1Mpanjaka 12.16-33

Fahamarinana 2 lehibe indray no hitantsika eto :

1-Tsy maintsy tanteraka ny Tenin’ny Tompo.

Tanteraka ara-bakiteny izao ilay fanalana ny fanjakana 10 amin’ny taranak’i Davida , ka lasan’i Jeroboama izany . Tonga nampanajaka azy ny Israely .Aza adinoina na oviana na oviana izany : na hiolan-ko vy isika na hiolan-ko vato ny Tenin’ny tompo tsy maintsy tanteraka , saika hisakana ny fahatanterahan’izany i Rehoboama ka nandefa an’i Adorama komandiny , saingy maty voatora-bato fotsiny izy . Saika handeha hiady indray izy , fa tonga ny Tenin’ny Tompo nandrara azy nentin’i Semaia, dia nitsahatra teo ny fikasana hiady .

2-Tsy mahay maka lesona amin’ny tantara isika .

Izany no miharihary eto . Vao teo i Rehoboama no voa mafy noho ny fahotan’i Solomona rainy . Vao teo (1 Mpanj 11.31-38)ny Tompo no nanafatratra an’i Jeroboama mba handehanany araka ny fitsipiny sy ny lalàna . Mazava avokoa ny zava-nitranga sy ny teny nomena azy . Saingy , inona no hitantsika eto (and25-33). Tsy ny fanompoana ny Tompo no ninoan’i Jeroboama fa hanamafy orina ny fanjakany , fa ny bfanaovana paika politika ka nanamboariny ombilahy kely mba tsy hankanesan’ny Israely any Jerosalema . Adala be izy . Ary mba haintsika koa ve ny tsy hamerina ny fahadisoana efa nahavoa ireo teo alohantsika ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV