SP A A 11 / SLK

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA SPAA11

MIARO NY TONTOLO IAINANA AMIN’NY ALALAN’NY FAMBOLENA ZANAKAZO FIHINAM-BOA

« Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. » (Genesisy 2:15)

Tontosa ny Sabotsy 16 Febroary 2019, ny ampahany amin’ny fambolen-kazo izay fanaon’ny Sampana Lehilahy Kristiana Synodamparitany Antananarivo Atsimo (SLK – SPAA11) isan-taona, ho fiarovana ny nofon-tany tsy ho kaohin’ny riaka amin’ny andro avy orana sady ho fitsinjovana sahady ny tany mihanjahanja tsy misy n’inona n’inona mba hahazo aloka avy amin’ny alalan’ireo ravin-kazo eny amin’ny hazo izay mitsiry satria dia mihena andro aman’alina ny isan’ireo loharano misy ankehitriny nohon’ny hafanana mivantana avy hatrany amin’ny nofontany. Efa miomana sahady ihany koa ny SLK-SPAA11, amin’ny famahana olana ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady amin’ny Malagasy, izay sokajian’nireo Mpandinika, fa i Madagasikara dia isan’ireo mponina mahantra indrindra eran-tany ary ahitana tahan’ny mponina tsy ampy sakafo avo indrindra na dia tsy tany efitra (Desert) aza i Madagasikara ary koa ahitana rotsak’orana isan-taona sy tany malalaka azo hambolena.

Araka ny fanaon’ny SLK-SPAA11, dia isam-paritra no anatanterahana ny fambolen-kazo, ka ny faritra telo izay mandrafitra ny Synodamparitany no miandraikitra izany mivantana, dia ireto avy : Faritra Ambohipotsy Atsinanana, Faritra Ambohipotsy Andrefana, Faritra 18 Akaiky. Ny faritra 18 Akaiky sy ny Faritra Ambohipotsy Atsinanana no nahatanteraka ny voly zanakazo fihinam-boa tamin’ny fotoana voafaritra mialoha, fa ny Faritra Ambohipotsy Andrefana no mbola hanatanteraka ny azy amin’ny Sabotsy 02 Marsa 2019.

Tontalin’ny zanakazo fihinam-boa voavoly ny andron’ny Sabotsy 16 Febroary 2019 = 154; Tontalin’ny Lehilahy kristiana niaraka tamin’ny ankohonany tonga namita ny adidiny = 138

 Toerana narovan’ny SLK tamin’ny alalan’ny fambolena zanakazo fihinam-boa :

  1. Faritra Ambohipotsy Atsinanana, namboly hazo teny Tsaramanga Vaovao Ambatofotsy;
  2. Faritra Ambohipotsy Andrefana, namita ny azy ny Sabotsy 02 Marsa 2019;
  3. Faritra 18 (Valoambinifolo) Akaiky, namboly hazo teny Mahitsiarivo Avarabary

Tamin’ny fifaliana tanteraka no niarahan’ny rehetra namita ny adidiny ka sady niaro ny tontolo iainana no nialavoly nitsangatsangana nijery ny tontolo nanodidina ihany koa vao namonjy ny fodiany rehefa avy nisakafo teny ankalamanjana. Samy niombon-kevitra ny tsirairay fa mila arovana ny tontolo voajanahary, izay nomen’Andriamanitra antsika, ho tombontsoan’olombelona ny voalohany ary ho an’ny zava-manan’aina tsy ankanavaka ny faharoa, ho voninahitr’Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao irery ihany.

MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV