Sakafon-tsaina

SELF COFIDENCE

Finaritra indray manolotra ity lahatsoratra ity ho antsika izay tomponandraikitra eo amin’ny Fiangonana sy ireo olona izay miasa ao anatin’ny faneriterena samihafa ateraky ny fahasarotan’ny fiainana. Ahoana ary ny fomba hampivelaranao ny fahatokisanao ny tenanao amin’ny fomba azo tsapain-tanana nefa efa voaporofo ara-tsiansa ihany koa. Tena ilaintsika izany, indrindra moa tao aorian’iny fifidianana filoham-pirenena niteraka resabe iny, sy ny fanavaozana ny tomponandraikitra samihafa eo amin’ny Fiangonana ?

Voalohany : iza moa no manana tombony amin’ny fanatsarana ny fahatokisan-tena. Mila izany fahatokisan-tena izany ny Tomponandraikitra rehetra, izaho, ianao, ny biraon’ny fiangonana, ny Mpitandrina sy ny sisa. Tokony tsy hisy izany ny fotoana izay ifohazanao ka itenenanao hoe « izay izany ny momba ahy, vita hatreo ny tantarako. Inona intsony moa izay izaho ».

Inona ary moa izany ny toe-javatra izay mahatonga ny olona hafa ho sahisahy ? Sahy manatona sy miresaka amin’ny olona izay tiany, na koa sahy hifanatrika amin’ny olona nifanandrina mivantana taminy. Sahy mandeha amin’ny toeram-pivahinianana araka izay mifanaraka amin’ny eritreriny. Sahy manangana ny Orinasany. Sahy miresaka imason’olona maro.

Self Cofidence no ilazan’ny anglisy izany, na adika malalaka hoe ianao miaraka amin’ny finoana. Izany hoe ianao miaraka amin’ny finoana ao anatinao. Mety hisy hilaza hoe : « hanova inona intsony moa izany finoana izany ». Ambara aminao ary fa tena azo atao tsara ny manova zavatra satria isika no toa izao dia miankina betsaka amin’ny fianarana nataontsika ka naverimberintsika imbetsaka. Fa teo koa ny kolontsaina izay nitaiza antsika. Tsy marina ny hoe efa hatrany am-bohoka io, na koa hoe nandeha ho azy.

Hoy ny oha-pitenenantsika malagasy hoe : « Ny ombimanga roa tsy miray fahitra ». Raha ampiraisina fahitra mantsy ny ombimanga roa dia mifanoto foana mandra-pisian’izay mandresy. Ny antony hanoratana izany eto dia ny hahatsapantsika tsara ny fomba fijoron’ilay resy. Samia mandinika àry fa misy fiovan’ny bika roa mivohitra asehon’ilay resy : Ny loha miondrika, ary ny rambo misitrika.

Raha fehezina dia izany ny endrika isehoan’ny fietrena sy ny fanekena ho resy. Mifanaraka amin’izay, toy ny mandeha ho azy fa ny fomba fijoroana no mitarika ny fahatahorana. Ny fanontaniana mipetraka avy hatrany dia ny hoe : ny fijoroana ve no mitarika ny fihetseham-po sa ny fihetseham-po no miteraka ny fomba fijoroana.

Ny Profesora Richard Petty avy any amin’ny Oniversite any Ohio Etazonia no nanambara ny fikarohana nataony manao hoe : « Ny loha dia ahitana faritra iray izay misy ny fahatokisana, nefa rehefa mihetsika io faritra io, dia sarotra ny manavaka ny fahatokisana marina sy ny fahatokisana izay ateraky ny fijoroana mahitsy. Ireo singa ireo dia miasa miaraka toy ny fahasambarana izay mitondra amin’ny fitsikiana ary ny fitsikiana mitondra ho amin’ny fahasambarana ». Noho izany dia ny torohevitra omena antsika voalohany dia ny hanova ny fomba fijoro.

Inona kosa ary ny ifandraisan’ny fijoroana sy ny fiovan-tsaina aterak’izany ? Tsy inona akory fa ny Oksizena. Ny tsy fahampian’ny Oksizena any amin’ny havokavoka dia mampihena betsaka ny fahafahana hanatanteraka zavatra. Tsy fahampian’ny hery. Noho izany àry dia tsapa fa tsy manana fahatokisan-tena ny olona iray rehefa tsy ampy rivotra ny tratrany, na koa mijanona ny fisefoany.

Dokotera Patricia Gerbarg avy any amin’ny New York Medical College dia nanoratra hoe : « Raha misefo ara-dalàna tsara ianao, dia ho tony tsara ny sainao ». Ny torohevitra faharoa izany dia ny hoe : Ovay ary hatsarao ny fomba fisefonao, fisefo miadana ary mipaka hatrany anaty any (lente et profonde).

Ny saina dia mampitaha hatrany izay hitan’ny maso ary avy amin’izany no ahitany ny fahasamihafany. Eto izany no avoitrantsika ny olana ateraky ny fahitana (perception). Raha asaina manavaka loko roa mifanalavitra isika dia betsaka no mety ho voafitaka. Mazava loatra mantsy fa raha mifanalavitra ireo loko ireo dia samihafa ihany koa izany ny hazavana manodidina azy. Noho izany na dia mitovy aza ireo loko ireo dia mbola maro ny adihevitra hiteraka amin’izany.

Eo amin’ny fiainana koa dia misy sahala amin’izany. Raha misy hetsika ho avy izay mampatahotra antsika, dia tsy ny zava-mitranga no manery antsika ho tsy ho sahy, fa ny fomba fahitantsika azy. Izany hoe, heverintsika fa hahazo tombony kokoa isika amin’ny tsy fanaovana na inona na inona noho ny fahasahiana hiatrika izay hitranga.

Ny mifanohitra amin’izany indray dia raha misy olona manambana basy hamono antsika dia miova tanteraka ny fisainana ka misy fahasahiana tsy ampoizina, na hanohitra na hionona. Betsaka kokoa ny tahan’ny fanoherana satria ny aina no antoka eto. Fa mety ho sahy koa ianao raha misy olona manao fanamby hanome anao vola an-tapitrisa maro. Mety ho vitanao mihitsy ny hanao kolikoly, na handainga, na hamono olona mihitsy.

Tsarovy àry fa ny fahatahorana dia avy amin’ny fahadisoan’ny fahitana ny zava-misy marina. Ny torohevitra manaraka izany dia ny fikarohana lalina ny anton’ny toe-javatra mitranga.

Ny toe-tsaintsika dia manana fiantraikany lehibe amin’ny fihetsempontsika. Azo raisina ohatra amin’izany raha mahita sary misy herisetra, na sary ahitana olona miady mafy amin’ny tsy fahampian-tsakafo noho ny kere isika, dia miova tampoka ny fihetsehampontsika. Toa izany koa raha mahita sarin’ny atleta iray nandresy isika, na mahita olona roa mifankatia be. Izany no anton’ny hanofanana ny atleta iray hanova ny fomba fisainany raha tiany ny handresy. Anisan’ny azo atao ohatra ny mitadidy ny zavatra tsara nitranga tamin’ny fiainana.

Raha vao miseho mantsy ny toe-javatra iray dia mitarika ny saina avy hatrany izany hanao famakafakana hoe marina sa diso, ary inona ny havaly izany. Misy feo malefaka ao anatintsika izay mampiseho ny zavatra rehetra mety hitranga. Mety haharitra eo amin’ny telo ka hatramin’ny enina segondra eo ny fotoana ilain’ny saintsika mba hamantarana izay tokony havalintsika na hanomezana fanazavana.

Ny torohevitra omena anao indray eto mba hialana amin’izay fitodihan’ny saina hanao famakafakana izay, dia ny hanisa toy izao ao an-tsaina : 5, 4, 3, 2, 1, Lasa izao ! Izany hoe : fenoina zavatra hafa ny saina mba tsy ho lasa any amin’ny fieritreretana lalina hitady valinteny. Io teny hoe « Lasa izao » io dia efa fampiasan’ny olona tomponandraikitra maro ary nahitam-bokatra tsara foana. Manentana ho amin’ny fahavononan’ny vatana sy saina ary ny fanahy manontolo hanatanteraka asa avy hatrany izany. Sahala amin’ilay fanaontsika malagasy io hoe : « Iray maka bahana, roa fiomanana, telo dia lasa ». Ny fitanisana ireo isa ireo mantsy dia manadio tanteraka ny saina tsy hifantoka afa-tsy amin’izay tiana hirosoana avy hatrany.

Ny torohevitra farany izay tena maharesy lahatra ny olona maro dia ny fandrosoana miandalana. Izany hoe mandeha tsikelikely, tsy maika, tsy mirotoroto. Ny tombony amin’izay mantsy dia afaka manitsy miandalana ianao araka izay tranga mety hiseho, nefa tsy miala amin’izay efa vina voahevitrao mialoha. Na izany aza dia mila fotoana fiomanana tsara avokoa ny tetikasa rehetra. Mahereza àry ry tomponandraikitra.

RAM.

Perikopa

Mey: Manàna fahamarinana eo anatrehan''ny Tompo

| | 26. Ala V man Paska- Alahadin'ny FFPM
Joba 1.1-5 / Mat 5. 17-20 / Rom 6.8-14

| | 30. Andro Niakarana
Sal 11.1-7 / Lio 24.50-53 / Kol 3.1-11

Jona: Meteza hofenoina ny Fanahy Masina

| | 02. Alah VI man. PASKA
Sal 143.7-10 / Lio 2.25-32 / 1 Kor 6.12-20

| | 09. PENTEKOSTA / Sekoly FJKM
2 Tant 20.14-17 / Mar 3.20-30 / Asa 2.1-13

FJKM Fahazavana

Toriteny Mpitandrina Zarazaka Jean Louis

ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina ,
Mahamasina / 20 01 2019