Protestantisma « Réformé »

NY FOTOTRA ARA-TOEKARENAN’NY PROTESTANTISMA

Ny taona 1517 no vaninandro nahafantarana ho nipoiran’ny finoana protestanta Réformé avy amin’ny Kristianisma. Tsy inona izany fa ny fotoana nanamelohan’i Lotera ny tontolon’ny Fivarotana famelan-keloka (indulgences) : Ny fibebahana mifamatotra amin’ny famelan-keloka dia tsy azo soloina vola aman-karena ho tombontsoan’ny Fiangonana, toa ny firehan-kevitra tohanan’ireo Pape nifandimby. Isika mahalala fa nataon’ireo filohan’ny Eglizy Katolika Romana io fivarotana famelan-keloka io mba hanangonam-bola nananganana ny Basilique de Saint-Pierre.

I Max Weber izay mpandinika fiarahamonina dia nanolotra endrika fifandraisana eo amin’ny Etikan’ny firehan-kevitra protestanta sasantsasany, toy ny Kalvinisma, sy ny nisehoan’ny kapitalisma tany amin’ny firenena maro. Ny protestantisma dia manome lanja ny asa toy ny fitaovana hamokarana sy hampandrosoana ny voaharin’Andriamanitra : ny fahombiazana eo amin’ny asa atao dia noraisina ho mariky ny maha olomboafidin’Andriamanitra. Sahala amin’izany, ny protestantisma dia manindraindra ny fiainam-pihafiana lavitry ny rendrarendra. Io etika protestanta io dia noheverina ho nanome vahana ny firoboroboan’ny fitaovam-pamokarana sy ny fivelarana. Taty aoriana dia nipariaka tamin’ny sehatra hafa ivelan’ny fivondronamben’ny protestanta izany firehan-kevitra izany.

Anisan’ny ilàna fiheverana ihany koa ny momba ny fanjanaham-bola, na ny marimarina kokoa dia ny momba ny asan’ny mpanjana-bola. I Lotera, sy ny mpino loterana dia manohana ny fandrarana araka ny efa fantatra. Izany hoe, amin’izy ireo dia tsy azo atao ny mampanjana-bola. I Calvin kosa etsy an-daniny dia manavaka ny fomba fanao araka ny tahan’ny zana-bola. Aminy dia tsy tokony ho ambony loatra ny tahan’izany zanabola izany ary tokony asiana fetra faratampony. Nefa ihany koa, miankina amin’ny ampiasana azy ny fepetra ka raha hamokarana ny vola nindramina dia tokony amporisihana fatratra. Fa raha hividianana sakafo kosa no hindramana ny vola dia tsy azo atao. Isika aty aoriana dia mahafantatra tsara fa izany fomba fisainana izany no anisan’ny nampanan-karena ny firenena Soisa izay toerana tena niasan’i Calvin sy nampiharany ny fanitsiam-pivavahana. Any Soisa ihany koa no misy ny Banky anisan’ny lehibe indrindra eto an-tany, ary any amin’ireo banky soisa ireo no saiky hitehirizan’ireo mpanefoefo manerana izao tontolo izao ny volany.

Misy ho saintsainintsika malagasy tokoa izany fomba nentin’ireo mpanitsy fivavahana namahana ny olana ara-bola nateraky ny fanilihana ny indulgence izany. Tsy mitombo harena ny firenena raha tsy misy fifampifehezana matotra eo amin’ny mpitondra fanjakana toa ny nataon’i Calvin sy ireo namany, indrindra ny mahakasika ny vola izay nitarika fanamelohana ho faty mihitsy raha nisy fahadisoana.

RAM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV