Perikopa Marsa 2019

Manamasina fiainana ho an’ny Tompo

Miditra ao anatin’ny vanimpotoan’ny Karemy ny Fiangonana. Vanim-potoana izay manome vahana ny fandinihan-tena mba hahazoana mihavao. Ny olona mandini-tena dia izay manaiky hihaino ny tenin’Andriamanitra ka manitsy ny tenany araka ny voasoratra hoe: “ Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankato, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. (Jakoba 1, 23- 24).

Koa raha atao indray miteny ny lohahevitra hoe: manamasina fiainana ho an’ny Tompo, dia tsy hafa fa fanekena hanitsy ny fiainana mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra Masina. Koa raha raisina ireo perikopa, araka ny Filazantsara, voalahatra amin’ity volana marsa ity dia toy izao aseho amin’ny fafana izao ny tenin’Andriamanitra sy ny andraikitr’izay manitsy ny tenany hananany fahamasinana:

Perikopa   :  Fanamasinan-tena andrasana

Lioka 9, 57- 62

Matio 8, 18- 20

 Fanekena hanara-dia an’i Jesoa kristy:

 Any amin’ny toerana tsy voafetra sy amin’ny fotoana tsy

misy fitsaharana (and. 57- 58 sy ny Matio 8, 19- 20)

 Hitory ny fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olona miaina fa

tsy ho an’izay efa nodimandry (and. 59- 60 sy ny Matio 8,21- 22)

 Hanao ny asa aman’andraikitra ho amin’ny fitoriana holohalaharana amin’ny zavatra rehetra (and. 61- 62)

Matio 5, 13- 16

 Miaina ny fahasambarana ka:

 Manaiky ho fanasin’ny tany

 Manaiky ho fahazavan’izao tontolo izao

Jaona 8, 2- 11

  Teo amin’ireo Mpanora-dalàna:

 Manatanteraka ny lalàna

 Teo amin’i Jesoa:

 Mitsara ny tena mialoha ny hitsarana ny hafa

 Teo amin’ilay vehivavy janga

 Mandeha amin’ny tsy fanotana intsony.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV