Alarobia 13 Martsa 2019.
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 11.26-43
Mihalalina ny fahavoazan’i Solomona eto:
1-Teo , avy any ivelany ny fahavalo, izao kosa avy ato anatiny . Teo dia Edomita sy Syriana no nitsangana hiady tamin’i Solomona . Izao kosa , dia i Jeroboama Efraimita no natsangan’ny Tompo hiady aminy . Izany tokoa no tonga amin’ny hoe: efa tafiditra an-trano ny fahavalo. Mampieritreritra fatratra ny mamaky itony tantara itony , fa hay , Andriamanitra dia mpahay politika iraisam-pirenena tsy hita velively . Hay , raha ny marina , toa saribakoly ampiasainy avokoa ihany ireo olona mihetsiketsika eo amin’ny fitondrana amin’ny firenen-tsamihafa ireo.
2-Tonga ny faminaniana ny amin’ny haharavan’ny fanjakan’i Solomona . Tonga amin’ny faratampony ny fanambarana eto. Teo trangam-pikomiana etsy sy eroa no hita . Eto kosa mpaminany mihitsy no tonga manambara ny fanapahan-kevitr’ Andriamanitra . Vita ny fizarana : ny 10 ho an’i Jeroboama , ny 2 sisa no ho an’ny taranak’i Solomona . Mbola eo amin’ny fitondrana i Solomona dia efa vitan’i Ahia ny fanendrena ny handimby azy . Fahasahiana lehibe ny an’i Ahia mpaminany . Enga anie ny Tompo haniraka mpaminany toy izany ho antsika koa mba hiteny amin’ny fahasahiana amin’ny Anarany indrindra eo amin’ny io sehatra politika io.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3