Talata 12 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 11.14-25

Tezitra ny Tompo . Inona àry no hataony ?

1- Nanapa-kevitra hanala ny fanjakana amin’i Solomona Izy (1Mpanj 11.1-13). Ny teny izay novakintsika omaly no efa nahitantsika izany . Ary lesona makadiry ho an’ny mpitondra fanjakana izany . Fa Andriamanitra no Tompon’ny fahefana . Fahefana ampindraminy eo an-tànan’ny mpitondra. Raha tsy mifanaraka amin’ny hevitr’izy tompony ny ampiasana izany fahefana izany , dia azony esorina izany .

2-Nanangana fahavalo hiady amin’i Solomona Izy .

Nitsangana ho fahavalon’ Andriamanitra tamin’ny nanotany i Solomona ary nanangana fahavalo hiady aminy kosa Andriamanitra . Ny fahavalo hitantsika eto dia ireo izay efa niotrika ela tamin’ny andron’i Davida rainy , saingy tsy afa- nikofoka satria mahery i Davida. Izao kosa , nipongatra daholo indray ireo ka tonga loza ho an’i Solomona sy ny fanjakany . Ny Oha 16.7 dia milaza hoe: « Raha sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona , na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy  » , fa ny hitantsika eto kosa dia izao : rehefa tsy sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona , na dia ny fahavalo efa lefy aza omeny hery vao indray , ary tena zava-doza izany satria Izy Andriamanitra mihitsy no mifanandrina amin’i Solomona izao .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV