Alatsinainy 11 Martsa 2019.
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 11.1-13
Taorian’ny famirapiratana tsy hay lazaina dia tonga eo amin’ny takila faran’izay maizina isika:
1-Nanambadimbady foana i Solomona . Olona efa voalaza mazava fa nadraran’ny Tompo hoe aza vadina no mbola nangalany vady ihany (and1-2)…vady 700+300=1000 be izao . Nanoratra ny « Tononkira tsara indrindra » momba ny fitiavana izy , kanefa tsy nahay nitandro ny fitiavana tsara . Indrisy! mila mitandrina fatratra isika fa hirika mety handavantsika ny Tenin’ Andriamanitra ny fanambadiana olona tsy araka ny sitrapony : havana akaiky tsy tokony hovadina , na olona tsy mpino efa fantatra toetra na vadin’olona nangalarina…
2-Lasa nanompo sampy i Solomona . Izao sampy samihafa izao dia nanaovany fanatitra avokoa, rehefa antitra izy (and4). Mampalahelo izany : antitra indray vao misary adala , ary ny adidy voalohany amin’ny Didy folo mihitsy no nohitsakitsahiny (Eks 20.3). Tandremon’ny lehilahy fa mody malemy ny vehivavy , nefa vehivavy no nampihinana an’i Adama ny voankazo nandrarana (Gen 3.9 )Vehivavy no nampanota fatratra an’i Ahaba mpnjaka (vakio 1 Mpanj 21.25) ary vehivavy no nahasolaka an’i Solomona , ilay mpanjaka « hendry » teto ka nirehitra taminy ny fahatezeran’ny Tompo (and 9-13) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3