Alakamisy 14 Febroary 2019.
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 1.1-21
1 Mpanjaka 1.1-21
Efa tena antitra i Davida mpanjaka ary miseho sahady ny ady seza ny amin’izay handimby azy, na dia mbola eo amin’ny seza fiandrianana aza izy . Inona avy no lesona ho antsika eto?
1-Tanteraka ny teny nataon’ny Tompo . Hitantsika ao amin’ny 2 Sam 12.11 ilay teny maharary hoe: »izao koa no lazain’i Jehovah: indro , Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany » ho valin’ny namonoany an’i Oria sy ny nijangajangany tamin’i Batseba . Tanteraka izany eto ka i Adonia zanany ihany izao mitsangana hanongana azy izao . Mitandrema koa isika !
2-Diso hanta i Adonia. Manaitra antsika ny mamaky eo amin’ny and 6 hoe: « Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy akory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? « . Izao no voka-dratsin’izany : zatra nampihantaina loatra i Adonia ka ny fanjakana avy no tiany hodongiana fotsiny izao . Tandremontsika Raiamandreny ny toy izany fa isika ihany no ho voa.
3-Soa fa misy ny mpanolotsaina hendry. Nahalala ny teny fikasana i Natana ka tsy nangina fa nanolo-kevitra an’i Batseba mba hamerenana ny zavatra rehetra amin’ny laoniny . Ilaintsika hatrany ny mihaino ny mpanompon’ny Tompo hanarahantsika ny teniny .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3