FJKM Ambohipotsy / Fetin’ny taranaka 2019.

« Mihirà ho an’i jehovah, ry tany rehetra, lazao, lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly ». ITan.16 :23

Tonga indray ny andron’ny taranaka sy ny fianakaviana eto @ FJKM Rasalama Martiora Ambohipotsy . Koa antsoina isika rehetra taranaka, na ny eto an-toerana na ny am-pielezana, ho tonga hiaraka hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hiombom-bavaka ny alahady 17 febroary 2019, amin’ny 9 ora sy 30mn.

Io koa no fotoana voalohany hihaonantsika amin’ny Mpitandrina vaovao sy ahitantsika ny Akany Rasalama Martiora. Hisy fiaraha-misakafo amin’ny sarany mirary aorian’ny fanompoam-pivavahana. Samia mitondra fitaovam-pihinanana.

« Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona » Heb.10 :25 Tiana 

Ramanantsoa Tiana Dani, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV