Alahady 10 Febroary 2019.
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 23.1-7
Ny farateny nataon’i Davida eto dia voamarik’ireto teny 3 lehibe ireto :
1-Ny Fanahin’i Jehovah (and2). « Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy » , hoy izy (and2); Fa tsy misy tokoa afaka manao ny sitrapon’ Andriamanitra marina raha tsy ny Fanahy masina no mitarika azy . Fa mampieritreritra ny mpamorokirantsika manokana koa izany : i Davida dia mpanao fihirana mahafinaritra » satria nentanin’ny Fanahy masina. Afa-miteny toy izany avokoa ve ny mpamorokirantsika?
2-Fahatahorana an’ Andriamanitra (and3).
Io no fanalahidin’ny herin’i Davida satria satria izany no nananany fahendrena (Oha 9.10) . Enga anie mba ho olona toy izany koa ireo mpitondra antsika : manapaka amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra » fa hisy fitahiana marina ho an’ny firenena raha izany (and4).
3-Fanekena (and5).
« Fa nekena mandrakizay no nataony tamiko » , hoy izy. Nanao fanekena taminy tokoa manko ny Tompo ( 2 Tant 21.3) ary fantany fa mahatoky ny Tompo , tsy mivadika amin’izany . Koa mifikitra amin’izany izy. Isika koa , manana ny fanekena vaovao ao amin’ny Ran’i Kristy (Lio 22.20) . Koa aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany fa mahatoky ilay efa nanao ny teny fikasany » (Hebreo 10.23).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3