Sabotsy 09 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 22.31-51

Mamarana ilay salamo nataon’i Davida isika eto:

1-Etsy andaniny :

Andriamanitra manome fitaovana ho azy . Mariho fa ny Tompo no mampakinga ny tongony (and34), mampianatra ny tànany (and35), manome ampinga azy (and36), manalalaka ny làlany (and37). Avy amin’ny Tompo avokoa izay rehetra ho entiny miady , hany ka marina tanteraka fa manao famonjen-dehibe ho azy ny Tompo (and51) ary derainy fatratra (and50). Tsy misy antony tokony hiderantsika tena raha maharesy isika , satria ny Tompo no loharanon’izany .

2-Etsy ankilany : miady  amim-pahavitrihana izy .

Ny fampitaovan’ny Tompo dia tsy midika mihitsy akory hoe: hiandry fotsiny izy . Tsia ! Tena manao ny ainy tsy ho zavatra izy : »manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy , ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany  » (and38) . Tsy maintsy tsarovantsika tokoa manko fa misy ny anjaran’ny Tompo , fa misy koa ny anjarantsika . Raha miezaka samirery isika dia ho resy satria tsy manana ny ho enti-miady koa anefa isika , kanefa mipetra-potsiny dia mbola ho resy ihany . Fa tsy maintsy mivonona hiady ny ady tsaran’ny finoana , hitomban-dahy amin’y maha- miaramila tsaran’i Kristy Jesoa antsika mba ho voninahitry ny Anarany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV