Alahady 03 Febroary 2019.
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 19.16-31
Nandresy an’ady i Davida ka hody. Ahoana ny fihetsiny tamin’ireo tsy mba nomba azy ?
1-I Simey. Io ilay nanozona azy fony izy nitsoaka nandositra an’i Absaloma (2 Sam16.5). Izao anefa , nony hitany fa nandresy i Davida dia izy indray no voalohany nitseana azy sy nifona. Na dia nampirisika hamono azy aza i Abisay , dia tsy nanao izany i Davida. Toetra mendrik’andriana toa izany :mahay mamela ny nitsangana ho fahavalo izay manatona hifona.
2-I Mefiboseta. Nanome tsiny azy i Davida, kanefa nihaino ny fanazavany koa . I Mefiboseta rahateo dia nampiseho ampahibemaso ny nahalasanan’i Davida. Izany no hevitr’ilay hoe: »tsy nanasa tongotra na namboatra volombava na nanasa lamba izy hatramin’ny andro nialan’ny mpanjaka ka hatramin’ny andro nahatongavany soa amantsara » (and25). Naneho ny firaiketam-pony tamin’i Davida izy fa ampy ho azy ny nandraisan’i Davida azy hiray latabatra aminy (and31). Ary isika , mba vonona hahafoy ny zavatra rehetra ve isika noho ny amin’i Jesoa , ka hihira marina ilay hoe: »Ahy i Jesoa , ampy izay » (Hira FFPM 479.1).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra « Boky faha-3