Sabotsy 02 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 19.1-15

Misy lesona maro ho an’ny olona manana toerana ambony ity tantara ity:

1-Tsy azo avela hanindry ny maha-olon’ny vahoaka ny fihetsehampo manokana:raha mitomany ny zanany i Davida , rariny izany , sady efa nanafatra rahateo ny tsy hamonoana azy izy . Saingy , ny fidradradradrany dia hisy akony tena ratsy eo amin’ny vahoaka , ka tsy maintsy nampangininy . Mafy izany , kanefa ny mpitondra rehetra tsy maintsy mampandefitra ny fihetsehampony manokana eo anoloan’ny adidiny .

2-Tsy azo avela hanao ny tsy mety ny lehiben’ny tena : na mpanjaka aza i Davida, tsy nijery azy fotsiny i Joaba fa niteny azy. Ary izany no tsy nitrangan’ny loza izay nety hahapotika ny tohin’ny fiainan’i Davida. Mila mpanolo-tsaina sahy toy izany hatrany ny mpitondra , ary ny mpiara-miasa koa , tsy tokony ho olona mpanasohaso lava izao fotsiny .

3-Tsy azo avela tsy hahalala ny tokony hataony ny olom-pehezina : I Davida mihitsy no nandefa teny tamin’ireo avy amin’ny firenena Joda , foko niaviany mba hampodian’ireo azy. Nahamenatra tokoa manko raha izy ireo izay tena tompony indray no tsy hahalala ny tokony hatao , nefa ny Israely aza nampody an’i Davida. Eny , zaza mandrakariva tokoa ny vahoaka ka mila mpitarika hanoro azy ny tokony hataony .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV