Fandalinana ny Boky « 2 Samoela »

2 Samoela 6.1-11

Ny amin’ny fiaran’ny fanekena , ilay vata kely 115 sm ny lavany ary 70 sm ny sakany sy haavony . Tao no noraketana ny didy folo.

1-Manambara ny fanatrehan’ Andriamanitra izy .

Tany Baala-Joda na Kiriata-Jearima, faritanin’ny Benjamina (Jos 18.28) no nipetraka izy io rehefa naverin’ny Filistina (1 Sam 7.1). Andriamanitra eo ka miara-monina ,azo antsoina no raketin’ny fiaran’ny fanekena. Raharaha iombonana ny famindrana azy ,noho izany satria laharam-pahamehana eo amin’ny fampiorenam-piainana ny fampitoerana azy eo amin’ny tontolo iainana.

2-Manambara ny fahamasinan’Andriamanitra izy .

Ny Levita no mahazo mikasika sy mikarakara ny fonenan’ny Tompo na ny alitara sy ny momba azy . Tsy manan-jo amin’izany i Oza Benjamita na dia nampandeha ny sarety sy efa nihazona izany tao an-tranony efa ho roapolo taona aza (1Sam 7.2) . Izay no antony namelezan’ny Tompo azy ho faty.

3-Mitondra fitahiana ho an’izay ietrahany izy .

Navily ho any amin’i Obeda ilay Levita (1 Tant 15.16-17.24) ny vata misy ny fanekena . Tonga fitahiana ho azy ny telo volana nitoeran’ny fiara tao amony. Fa tsy misy olona mampiantrano marina an’i Jesoa ka tsy hahazo fitahiana (Lio 19.10).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa

Jona: Meteza hofenoina ny Fanahy Masina

| | 30. Alah II man Trinite
Isa 59.17-21/ Mar 13. 1-11 / Rom 8.5-11

Jolay: Manatrika ny mino ny Tompo

| | 07. Alah.IIIman. Trinite
Eks 33.7-11/Jao14.15-21/Apo.22.1-5

| | 14. Alah.IV man.Trinite /STK-FJKM
Zak 8.1-8/Mat 18.18-20/Efe 1.1-14

| | 21. Ala.V manTrinite /SFL-FJKM
2Tant 6.1-6 /Mar6.47-56/ 1 Kor 14.23-25