Taombaovao SFL 2019

Ho an‘ny Mpitandrina sy Fiangonana ary

ny  Sampana Vondrona Fototra Laika rehetra

Antananarivo renivohitra sy ny manodidina

Antony : Fanompoampivavahana taombaovaon’ny SFL 2019

Ry Havana,

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo. 

Isaorantsika Andriamanitra fa noho ny famindrampony  sy ny fitiavany dia mahatratra izao taona vaovao 2019 izao indray isika. Toy ny efa fanaontsika isan-taona ry havana, dia hanatanteraka fanompoampivavahana ho fisaorana sy fankalazana an’Andriamanitra isika ary koa ho fametrahana eo ampelatanan’Andriamanitra ity taom-piasana vaovao 2019 ity.

Araka izany dia antsoina isika Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra hifanotrona amin’ny fanompoampivavahana izay hatao ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana (VPLAA 12) ny Alahady 27 Janoary 2019 ho avy izao manomboka amin’ny 2 ora folakandro.

 Samia manao ny fanamiany avy ary indrindra ny fanamiana iombonantsika rehetra dia ny ZIOGA LAIKA izany. Ireo antoko mpihira izay handray anjara hira dia hasaina hisoratra anarana mialoha.

Hisy fiaraha-mifaly sy fiombonana miala hetaheta aorian’ny fotoana ka, toy ny fanaontsika dia raisina an-tanandroa izay afaka mitondra tsakitsaky sy/na ranomboankazo.

Manao veloma anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa, Andriamanitry ny fiadanana anie handrotsaka aminareo mandrakariva ny fitahiany.– 

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)

Immeuble IFANOMEZANTSOA I Analakely

Rihana faha-5 varavarana 502 B.P. 623 – Antananarivo 101

BFV N° 00005 210 002 687 51 89 BFV Antaninarenina

Tel  020 22 287 90 / 034 95 526 27 / 033 41 086 45

e-mail :  sflfjkm@gmail.com

„Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany.?“ (Mat. 5,47b)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV