Alarobia 09 Janoary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 2.12-32

Miady ny mpomba ny mpanjaka roa izay notarihan’ny mpitari-tafika roa lahy .

1-Anton’ny ady .

Teo amoron’ny kamory tao Gibeona , 10 Km avaratra andrefan’i Jerosalema izany no niseho. Fisorohana ny fiitaran’ny fahefan’i Davida amin’ny avaratr’i Joda no nanetsika an’i Abnera hankany.Feno fahatokisan-tena tokoa izy rehefa samy nipetraka teo an-dafin’ny rano. Toa kilalao no ilazana azy eto, nefa tena ady mihatra aman’aina.

2-Vokatry ny ady

Fanaovana sorona miaramila no manaitra eto, satria tsy nisy nivoaka velona izy 24 lahy hany tsy fantatra ny hoe; iza no nandresy. Nanaomboka teo noho izany ny ady. Fahaverezana olo-manga toa an’i Asahela no hita eto. Nitompo tamin’ny marina sy ny heriny izy ka matin’ny tsy nampoizina. Fahafatesana olona anjatony no voalazan’ny fanisana nataon’i Davida ka 19 tamin’ny azy sy 360 ny an’ny ankilany.

3-Fiafaran’ny ady

I Abnera no namarana ny ady tamin’ny teny , izay mety azo raisina ho fanilihana tsiny na fiakena faharesena : »handany mandrakizay va ny sabatra? », hoy izy. Fa na toy inona na toy inona firehitry ny ady , rehefa ny mpitarika no mampitsahatra izany , mitsahatra ny ady. Naman’ny kofehy manara-panjaitra ihany ny vahoaka sy ny miaramila entiny .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa

Martsa: Manamasina fiainana ho an'ny Tompo

| | 24. Karemy II Alahadin'ny SAF FJKM
Jos 14.6-15 / Mat 5.13-16 / 1 Tes 2.1-12

| | 31. Karemy IV
2 Tant 29.1-11 / Mat 8.18-20 / 1 Pet 1.13-16

Aprily: Hazony ny famonjen'ny Tompo

| | 07. Karemy V
Sal 40.11-17 / Mat9.14-17 / 1 Tim 4.6-10

| | 14. SAMPANDROFIA
Isa 62.6-12 / Lio 9.57-62 / Rom 6.15-19

FJKM Fahazavana

Toriteny Mpitandrina Zarazaka Jean Louis

ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina ,
Mahamasina / 20 01 2019