Talata 08 Janoary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 2.1-11

Kihon-dàlana vaovao no niseho rehefa nodimandry i Saoly. Inona no hatao?

1-Nanontany an’i Jehovah i Davida .

Raha ny seho tsotra toy izao no jerena dia fotoana tena fanararaotra ny toy izao ho an’i Davida. Ny mpanjaka efa maty , izy rahateo efa fanta-bahoaka . Tsy nandeha araka ny hevitry ny tenany anefa izy fa niera sy nanontany ny Tompo : hiakatra amin’ny tanàna iray any Joda ve aho, dia aiza? Fihetsika takiana hananan’ny mino ny toy izany amin’izay dingam-piainana rehetra hatrehiny.

2-Namitram-pihavanana koa izy :

Nitia an’iSaoly ny mponin’ny Jabesy matoa nanao vy very ny ainy naka ny razana. Tsy nataony tsinotsinona izany ka nilaza soa tamin’ireo izy sady nampahafantatra ny tenany . Fahendrena faka tahaka ny mankasitraka ny tsara vita symamitra-pihavnana amin’ny rehetra.

3-Nanangana mpanjaka i Abnera

Araka ny fanaon’ny olona dia ny zanaky ny mpanjaka nodimandry no mandimby azy . Izany no narahin’i Abnera ka azo niheverana azy ho ninia nikimpy teo anoloan’ny efa fandavan’ny Tompo an’i Saoly. Azo heverina koa fa ny fifikirany teo amin’ny seza maha-komandin’ny miaramila no nanampina ny sofiny tsy handre ny feon’ Andriamanitra nanendry an’i Davida.

Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa

Martsa: Manamasina fiainana ho an'ny Tompo

| | 24. Karemy II Alahadin'ny SAF FJKM
Jos 14.6-15 / Mat 5.13-16 / 1 Tes 2.1-12

| | 31. Karemy IV
2 Tant 29.1-11 / Mat 8.18-20 / 1 Pet 1.13-16

Aprily: Hazony ny famonjen'ny Tompo

| | 07. Karemy V
Sal 40.11-17 / Mat9.14-17 / 1 Tim 4.6-10

| | 14. SAMPANDROFIA
Isa 62.6-12 / Lio 9.57-62 / Rom 6.15-19

FJKM Fahazavana

Toriteny Mpitandrina Zarazaka Jean Louis

ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina ,
Mahamasina / 20 01 2019