Alatsinainy 10 Desambra 2018.
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 21.1-16
Mizara roa ity tantaran’i Davida novakintsika ity :
1-Ny diany tao Noba
Efa any am-pandosirana hamonjy ny ainy noho ny fitadiavan’i Saoly hamono azy i Davida izao . Nitady vatsy sy fiadiana izy ary nomen’i Ahimeleka mpisorona . Ny nomena azy dia « mofo masina » satria mofo aseho eo anatrehan’ Andriamanitra ary io mofo io dia ny mpisorona ihany no mahazo mihinana azy . Notsiahivin’i Jesoa ity tantara ity raha nanankiana ny mpianany ny Fariseo (Mat 12.3-4) .Mariho ny fahamasinana notakiana taminy tamin’ny fandraisana izany . Fahamasinana takiana amintsika rehetra koa izany amin’ny fandraisana ny fanasana masina
2-Ny diany tany Gata
Tany am-pitsoahana izy dia tsy nahatsiaro tena ho voaaro intsony tamin’ny tanin’ Israely ka lasa nankany amin’ny tanin’ny Filistina . Olo-malaza anefa izy ka tadidin’ny olona ny fiderana azy fony nandresy an’i Goliata . Saika nahita loza izy raha tsy nody adala . Ary io no nanavotra ny ainy .Làlana mahagaga namonjen’ Andriamanitra azy io ary nahavelom-piderana azy ka nandrafetany ny Salamo faha-34 (vakio ny fiandohan’io salamo io).Soa ihany fa Andriamanitra be famindrampo ny Andriamanintsika ka manaiky hamonjy antsika amin’ny fomba toa adaladala eo imasontsika olombelona aza.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3