Sabotsy 08 Desambra 2018.
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 20.5-23
Zava-dehibe ny firahalahiana sy ny fifankatiavana .Ilaina hatsaraina sy hamafisina mandrakariva izany fa antoka sy fototry ny fandovana fiainana mandrakizay ka:
1-Ifampitondrana
Tombotsoa ifampizarana ny fifankatiavana fa tsy ikatsahana soa ho an’ny tena :mifanampy, mifamonjy ary tsy mifanafinafina,indrindra amin’ny zava-tsarotra hifampaherezana sady tsy hifanalana baraka (Rom12.9-10).Mitaky fifampitokisana ny fitiavana,raha tsy izany mahatonga fahafatesana.
2-Aorina ao amin’ Andriamanitra
Ny fitiavan’ Andriamanitra no marina , madio , masina ary feno tanteraka. Fitiavana ao amin’i Jesoa mahafoy ny zavatra rehetra (aina) ho an’ny tiavina.Tsy fitiavana madio ny fifankatiavana tsy hanasana an’ Andriamanitra ho vavolombelona(and 23). Ny fitiavana an’ Andriamanitra no mampifankatia. Mafy sy matanjaka ka tsy ho levona mandrakizay ny fitiavan’ Andriamanitra(Jer 33.3).Mifamitaka sy mifampihatsaravelatsihy ny mihoatra izany.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3