Sabotsy 08 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 20.5-23

Zava-dehibe ny firahalahiana sy ny fifankatiavana .Ilaina hatsaraina sy hamafisina mandrakariva izany fa antoka sy fototry  ny fandovana fiainana mandrakizay ka:

1-Ifampitondrana 

Tombotsoa ifampizarana ny fifankatiavana fa tsy ikatsahana soa ho an’ny tena :mifanampy, mifamonjy ary tsy mifanafinafina,indrindra amin’ny zava-tsarotra hifampaherezana sady tsy hifanalana baraka (Rom12.9-10).Mitaky fifampitokisana ny fitiavana,raha tsy izany mahatonga fahafatesana.

2-Aorina ao  amin’ Andriamanitra  

Ny fitiavan’ Andriamanitra  no marina , madio , masina ary  feno  tanteraka. Fitiavana ao amin’i Jesoa mahafoy ny zavatra rehetra (aina) ho an’ny tiavina.Tsy fitiavana madio ny fifankatiavana tsy hanasana an’ Andriamanitra ho vavolombelona(and 23). Ny fitiavana an’ Andriamanitra no  mampifankatia. Mafy sy matanjaka ka tsy ho levona mandrakizay ny fitiavan’ Andriamanitra(Jer 33.3).Mifamitaka sy mifampihatsaravelatsihy ny mihoatra izany.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV