Sekoly FJKM/ Hetsika Tetikasa « Mahay »

 Fanabeazana Mampiaty

Nanolotra fitaovana ho an’ny ankizy sy ny sekoly any Moramanga

Ny 03 Desambra 2018 no andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana. Nanamarika izany tao amin’ny Lycée FJKM Moramanga ny Tetikasa Mahay tantanin’ny Departemantan’ny Sekoly FJKM ka nanolotra fitaovana ho an’ny sekoly mpiara-miasa aminy any an-toerana sy ireo ankizy mpahazo tombontsoa 7 avy amin’ny Lycée FJKM Moramanga, 7 avy amin’ny Sekoly FJKM Antsirinala ary 29 avy amin’ny EPP Moramanga ambony.

Ity Tetikasa MAHAY – Fanabeazana Mampiaty ity dia ezaka atao ho fampidirana an-tsekoly ireo ankizy manana fahasembanana, kanefa tsy natao hiditra an-tsekoly fotsiny ihany izy ireo fa natao hiaty mba tsy ho voahilika amin’ny fiaraha-monin’ny ankizy rehetra tahaka azy, ary koa natao hivoatra araka ny fahasehany avy, izany hoe samy hanana izay zava-bitany araka ny heriny avy ny ankizy tsirairay.

Amin’ny ankapobeny mantsy dia sekoly manokana no nandray ireny ankizy tratran’ny fahasembanana ara-batana ireny hatramin’izay, na noraisin’ny sekoly hafa ihany saingy nomena toerana sy fampianarana manokana. Ankehitriny kosa dia tsapa fa ity fanabeazana mampiaty ity no manamora kokoa ny fandraisan’ny fiaraha-monina ireny ankizy ireny dieny any an-tsekoly ka hitohy hatrany amin’ny fahatanorany any anatin’ny sehatry ny asa. Mpanohana izao tetikasa izao ny CBM na ny Christoffel Blinden Mission.

Ankoatra an’i Moramanga dia miasa amin’ny faritra Analamanga sy Atsinanana ary Vakinankaratra ny tetikasa Mahay – Fanabeazana Mampiaty ka mpanabe miisa 156 nahavita fiofanana no misahana ireo faritra ireo.

Ho fampandrosoana ny asa dia nanazava Ramatoa Rafenomiadana Mbolamamy, Mpanatanteraka ao amin’ny tetikasa,  fa hamafisina ny fampiofanana ny mpanabe mba hitombo isa izy ireo, hampitomboina ihany koa ny fampitaovana ny sekoly sy ny ankizy ary ny fijerena manokana ny fahasalaman’izy ireo.

Ho tanterahina amin’ny fiandohan’ny taona 2019 araka izany ny fampiofanana ireo mpanabe momba ny karazam-pahasembanana sy ny fomba fiatrehana izany ary momba ny tenin’ny tanana.

Niry Rakoto, SF

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV