SP 19 / Fivoriambe sy faha-20 taona

SYNODAMPARITANY IARIVO AVARADRANO

FIVORIAMBE sy faha-20 taona SP 19

Asaina am-pitiavana isika mpianakavin’ny finoana ato anatin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano ho tonga amin’ny Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha- 20 Taona nijoroany .

 Izany dia hatao ao amin’ny FJKM Manaritsoa Rasalama Namehana , ny Alakamisy 22 Novambra 2018 , manomboka amin’ny 8ora ny fanentanana samihafa . Ny Fanompoampivavahana kosa dia hanomboka amin’ny 9ora sy sasany .

Hisy ny fitokanana ny Tsangambaton’ny faha-20 taona,fanirahana ireo Katekista Delege hirotsaka an-tsehatra,fanehoana ireo mpitendry zava-maneno .Mandritra izany fotoana izany ihany koa no hamoahana ny Tetikandro 2019 . Koa aoka ho vonona amin’ny fividianana izany isika rehetra .Ny fotoana dia hiafara amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo  sy fiaraha- misakafo araka ny « ticket » efa nozaraina tamin’ny isam-piangonana .

« Fa miambena ka mivavaha  mandrakariva mba hahery ianareo ka ho afa-mandositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona » Lioka 21.36

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV