SAMPATI FOIBE / 25 Taona
SAMPATI FOIBE FJKM
HANKALAZA NY IVON’NY JOBILY FAHA-25 TAONA
« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12, 35
1993 – 2018, feno 25 taona katroka ankehitriny no niorenan’ny SAMPATI FJKM. Hisy ny fankalazana an’Andriamanitra noho izany figadonan’ny taon-jobily izany ny SABOTSY 24 NOVAMBRA 2018 ho avy izao ao amin’ny KIANJA MAITSO ANTSAHAMANITRA. Ny Birao foibe SAMPATI sy ny KOMITY JOBILY dia faly manasa ny rehetra tsy an-kanavaka ho tonga hanatrika izany andro lehibe izany.
Toy izao ny fandaharam-potoana :
- 7 ora : 30 mn : CARNAVAL
- 10 ora : 00 mn : FANOMPOAM-PIVAVAHANA
- 12 ora : 30 mn : SAKAFO
- 2 ora : 00 mn : LALAO SY KORANA FIFAMPIZARANA FIFALIANA
- 3 ora : 30 mn : AFON-JOBILY
- 5 ora : 30 mn : FAMARANANA
Marihina fa, ny SAMPATI rehetra dia hanao fanamiana avokoa amin’io andro io, ary hitondra banderoles misy ny anaran’ny isam-pivondronana ; miomana ihany koa ny isaky ny Synodamparitany amin’ny fampisehoana.
Ny TONIA SAMPATI FOIBE
RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina