Eh ! aza variana ! ho avy ny Tompo!

Antso sy fanairana ny mino ho malina

Samy manana ny ironan’ny sainy sy mahavariana azy ny olona amin’izao fotoana izao. Misy olona sasany manana zavatra mampiasa saina azy fatratra ka na mifanena amin’ny olona eny an-dalana eny aza izy mila tsy ho hitany ary indraindray mila ho voadonan’ny fiarakodia mihitsy. Aretin’ny olona maro koa ankehitriny, indrindra ny zatovo sy tanora, hoy ny mpandinika,ny variana mandany fotoana amin’ny finday mandritra ny tontolo andro. Mitera-doza mihitsy io indraindray ary izay indrindra no nandraisan’ny fanjakana iray tany Etazonia fepetra ho an’ireo mpandeha an-tongotra miampita arabe. Tsapa fa niha nitombo mantsy ny lozam-pifamoivoizana vokatra izany tany an-toerana. Variana amin’ny zavatra mifandraika amin’ny fandrosoana entin’ny fanatontoloana mivatravatra fiavy ny maro.

Manaitra antsika mpianakavin’ny finoana ny perikopa amin’ity volana Novambra ity ary mampahatsiaro ny zavatra tokony hifantohan’ny saina, fa tsy ho variana amin-javatra misarika ny maro eto amin’izao tontolo izao izany.

Zava-dehibe izany antso sy fanairana izany satria fiainana kristiana no resahina eto. Anisany ny antony iray nahatonga ny fahafatesana olona amana hetsiny maro tany Hiroshima-Japana tamin’ny 06 Aogositra 1945, dia io resaka antso sy fanairana io. Tsy nisy intsony izany tamin’ny fotoana tena handatsahan-dry zareo amerikana ilay baomba atomika mahery vaika ka nandripaka an-dry zareo Japoney. Tsy fahavalo kosa anefa no ho avy eto ambaran’ny perikopa fa ny Tompo, ary mila fiomanana tokoa izany.

Iaraha-mahita ny fiomanana fatratra ataon’ny mponina na ny vahoaka amin’ny faritra na tanàna iray rehefa ho avy hitsidika azy ny tomponandraiki-panjakana ambony na ny filoham-pirenena. Toy izany koa no hita rehefa amin’ny fotoan-dehiben’ny fiangonana, misy ny fiomankomanana fatratra.

Hatraiza kosa anefa ny fiomanantsika raha hihaona amin’ny Tompo, moa va ho latsa-danja amin’ireo ohatra nambara ireo? Ambony lavitra noho izy ireny anefa ny Tompo satria Izy no Nahary izao rehetra izao. Mitaky toetra manokana amin’ny kristiana tsirairay izany. Toetra mendrika no tadiavin’ny Tompo amin’ny fihaonana Aminy, fa tsy seho endrika ivelany amin’ny fitafy sy izay rendrarendra heverin’ny sain’olombelona ho ambony, lafo vidy, sy mihaja.

Koa ampitomboy àry ny fahavononana hihaona amin’ny Tompo mba tsy ho variana amin’ny rehak’izao tontolo izao izay mamandrika andro  . Mahereza ry havana!

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV