Alahadin’ny SAMPATI 2018.

Fandaharana iombonana 

18 Novambra 2018

lohahevitra: « Mivonona hihaona amin’ny Tompo »

« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio 12.35

« Hianareo ny fahazavan’izao  tontolo izao »  Mat 5.14

Feonjavamaneno na Hiran’ny Antoko mpihira  na SAMPATI

Fiarahabana Apostolika  2 Kor 13.14

Fiderana sy fisaorana an’ Andriamanitra : Sal 95.1-7a

Hira 6.1,3 « Avia miondreha »

vavaka fiderana

Sitrapon’ Andriamanitra : Mat 5.14,16; Tit 2.7 . Sambatra ….

Hira FFPM  242.1,2 « Misaotra anao zahay ry Ray… »

Fiaikenkeloka : vavaka fifonana

Hira FFPM 408.1,2,5 « Jehovah Ray maharipo »

Famelankeloka :Jaona 8.12 . »Sambatra ny olona … »

Hira FFPM 26.1,3″Tsy misy reharehako… »

Asan’ Andriamanitra :

Raharaham-piangonana

Rakitra :mihira ny SAMPATI/na ny antoko mpihira/ Hira 306″mamafaza voa »

Vavaka fanolorana ny Rakitra

Hira FFPM 190 « Ry Fanahy mpananzava »

Vakiteny : Eks 19.9-15/Mat 22.1-14/ 2Tim 4.1-8

Hira FFPM 226″Tompo ô mba te-hihaona « 

Toriteny

Vavaka fangatahana +Rainay izay any an-danitra …

Asa vavolombelona

Fanoloranjaza

Sakramenta : Batisa/Fanasan’ny Tompo

Famaranana

Hira FFPM 332.1″Finaritra ny olonao « 

Tsodrano :2 Tes 3.16

Trinite masina

HAFATRA

Faly Miarahaba sy mamangy anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, ho aminareo anie ny fiadanany.Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana fa mifarana ity taom-panabeazana 2018- 2019 ny fe-potoam-piasan’ny Tompon’andraikitra rehetra ato amin’ ny SAMPATI. Kanefa mbola miatrika ny Jobily Volafotsin’ny SAMPATI (1993- 2018) ihany koa isika izay nosokafana tany Mahajanga (SP17) ny 14 sy 15 Jolay 2018 lasa teo.

Noho izany dia andeha hiara-manao « faradoboka » aminay SAMPATI FOIBE ianareo SAMPATI SYNODAMPARITANY sy SAMPATI FITANDREMANA « aoka hirehitra ny jironareo »(Lio.12 : 35).Koa indreto ary ny fandaharana mandritra izany  :

1- Sabotsy 24 Novambra 2018 (9 ora- 7 ora hariva) : tontolo andron’ny Ivon’ny Jobily Volafotsy ao ami’nny Kianja Maitso Antsahamanitra. Misy fanompoam-pivavahana fitrotroana am-bavaka ny taom-panabezana sy fampianarana ary lalao skoto sy fialam-bolyizay anasàna ny mpianakavin’ny finoana rehetra indrindra fa ny SAMPATI.

2- Volana Jona 2019 : fe-potoana famaranana ny Adidy Rehetra ato amin’ ny SAMPATI :adidy synodamparitany ho an’ny sampati isa- pitandremana ary adidy foibe ho an’ny sampati synodamparitany, mba hahazoana manao tatitra sy famindran-draharaha amin’ny tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny foibe, koa misaotra mialoha amin’ny fiaraha-miasa.Mba hahazoana milasy sy mandray anjara amin’ny hetsika fankalazana Jobily Volafotsy dia aza adinoina ny mividy KARATRA SAMPATI ho an’ny mpikambana rehetra (KP, Mp, beazina,Filoha MTEM) izay Ar 700 isan’olona toy izany koa ny folara izay fanamiana iraisana, ny kravaty ho an’ny komitim-pivondronana, ..

3- 26-30 Oktobra 2019 : famaranana : Lasin-Jobily Volafotsy sady Fihaonambe no Zaikabe SAMPATI any Fénérive Est Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao (SP2). Lasy lehibe izay natokana ho an’ny Komitim-pivondronana, ny Filoha MTEM, ny Mpiandraikitra, ny Beazina. Koa manentana ny SAMPATI Synodamaparitany sy ny SAMPATI Isam-pitandremana mba hanao ho zava- dehibe ny fiombonana ato amin’ ny Sampati ; samia miomana dieny izao ho an’ny Fénérive Est fa tsy hanao fandaharam-potoana hafa intsony. Aoka samy iaina ny teny faneva hoe “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao “(Mat.5 :14a). Tsara ny mampahafantatra antsika fa ny Tsangambaton’ny faha- 25 taona : ny fohy ezaka dia “fiara” ampiasain’ny Sampati ka ny fandraisan’anjara dia mandrotsaka vola Ar1000 isan’olona (KP, Filoha MTEM, Mpiandraikitra, Beazina), ny lavitr’ezaka dia “trano” ho “Centre d’ Accueil”. Hisy ihany koa ny fifaninanana isa-tsynodamparitany araka ny mahazatra araka ireto taranja manaraka ireto:

– Soratra Masina : vakio ny Filazantsara Matio

– Fanatanjahan-tena : foot à 7, scouting ball, basket ball, petanque

– Kolotalenta : vako-drazana, dihy mirindra

Ny saram-pisoratana anarana amin’ny Lasin-jobily dia Ar 500 isan’olona Isaorana ny Tompo ary ankasitrahana isika noho ny fahavitan’ny asa izay notanterahana teto amin’ny Foibe Sampati tamin’ity taona ity :

– Ny fanatsarana ny tranon’ny Tonia eny Ampandrana (25/04/2018)

– Ny loharanom-bola maharitra Mana Soa (12/04/2018)

– Ny fanatsarana ny trano fiasana sy fampitaovana (birao foibe sampati)

Aza adinoina ny mampiakatra ny Rakitra Sampati ho fampandehanan-draharaha aty amin’ny Foibe Sampati. Isaorana mialoha ianareo fa isika tsy mba naman’izay mihemotra. Raha misy fanamarihana mikasika ny rakitra voasoratra ato dia aoka hanatona aty amin’ny birao. Mbola mitohy ny fandraisana soso-kevitra sy tolo-tanana (vary, hena, …)ho an’ny loharanom-bola maharitra Sampati amin’ny Tsena Mana Soa, hotely fisakafoanana ato amin’ ny Foibe FJKM sy ny varotra“article” samihafa(boky, karatra, …)

Eto am-pamaranana dia aza adinoina fa amin’ny maha- Sampam-piangonana ny SAMPATI dia aoka samy hanao ho zava- dehibe ny fitrotroana am-bavaka ny asantsika sy ny fanaovana asa soa amin’ny olona iray isan’andro fara-fahakeliny isika Sampati.

Ho aminareo hatrany anie ny fahafenoan’ny fitahian’I Kristy

Tanana havia!

Ny Filoha

BOEZA Mizara FANDRASA Mikalo

Ny Tonia

RANDRIAMANANTENA SOLO

Jean Jacques Séraphin J. Mpitandrina

TORITENY: II Tim 4 : 1-8

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo. Amen!

Amin’izao Alahady 18 Novambra 2018 izao, izay natokana hitondrana am-bavaka ny Sampana Mpanazava sy Tily, ary mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe: “Mivonona hihaona amin’ny Tompo” dia ndeha ho raisina ny II Tim 4 : 1-8 handraisantsika hafatra.

Ny fianakaviana iray izay manao fanasana dia vonona tsara izy hihaona amin’ireo olona nasainy sy hanolotra azy ireo izay efa nomaniny. Toy izany koa ny vahoaka miandrandra fihaonana amin’ny tompon’andraikim-panjakana (manam-pahefana) ambony iray, izay hita hoe: vonona amin’ny lafiny rehetra: toy ny toerana andraisana, ny ho resahina,ny fihetsika atao …, fa mba aho ana kosa ny fahavononana hihaona amin’ny Tompo?
Ny fahavononana hihaona amin’ny Tompo dia:
1. MITAKY ASA (and 2a . 5d)
Ny asa takina amin’izany dia: hitory teny, hanao ny asan’ny Evanjelistra mba ho:
– Fandresen-dahatra
– Fananarana
– Famporisihina
Eo amin’ny II Tim 4 : 1. Paoly dia manambara ny maha zava-dehibe ny fotoana iverenan’i JESOA KRISTY Ka mila fahavononana ny hihaona Aminy. Arakaraka ny maha akaiky io fotoana io anefa no mahabe ny fahavalon’i TIMOTY. Noho izany tsy maintsy mitory ny teny mafimafy kokoa hatrany izy. Tsy maintsy mampianatra ny teny i Timoty mba ahafahany miady amin’ireo mpanohitra azy dia ireo mpanao fampianaran-diso sy ireo mpampianatra sandoka (and 3).Torina io teny io mba handresen-dahatra ho fananarana mafy ary ho famporisihana. Io fitoriana ny teny io ihany koa no voalaza ao amin’ny Mat 24:14 fa tsy maintsy atao vao ho tonga ny farany. Araka izany ny olona vonona hihaona amin’ny Tompo dia tsy maintsy mijoro ho vavolombelony amin’ny alalan’ny fitorian-teny; ary baiko nomen’i JESOA KRISTY ny mpianany io mialoha ny hiakarany any an danitra.
Ry havana: asa maika io, tsy azo anaovana andrasoandraso, mila fikirizana, torina na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, na hihaino na tsy hihaino ny olona. Ankehitriny anefa dia betsaka ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana no manao andrasoandraso ary tsy mahay manararaotra ny fotoana mety; vokany betsaka ireo fotoana tokony hitoriana no very ka tsy azo iverenana intsony. Mitaona anao ny Soratra Masina anio, ndao isika hiara-misalahy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Asa fanompoantsika izany ka atao izay ahatanteraka sy ahalavorary azy eo ambony fitarihan’ny Fanahy Masina.Fa hoy i Jesoa ao amin’ny Jao 9:4: “Isika tsy maintsy manao ny asan’izay nanirakaAhy raha mbola atoandro …”Tsy tamin’ny andron’i TIMOTY ihany no nisy ny fampianaran-diso sy ny mpampianatra sandoka ka nilana ny fitorian-teny, fa amin’izao androntsika izao vao mainka mirongatra fatratra izy io. Ka izany no hanaingana ahy sy ianao mba hanao ho zava-dehibe ny fitoriana ny Filazantsara hanehoana fa vonona hihaona amin’ny Tompo isika.
Ny hetsika ataon’ny FJKM manao hoe: VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY
MADAGASIKARA sy ny tanjon’ny AFF hoe: “Fiangonana isan-tanàna) dia manentana antsika hitory ny filazantsara.Ny fahavononana hihaona amin’ny Tompo dia tsy hoe mitaky asa ihany fa:

2. MITAKY TOETRA ihany koa ho enti-miatrika izany, isan’izany ireto:

– Mazoto (and 2a)
– Mahari-po (2d)
– Mahonon-tena (and 5a)
– Miaritra fahoriana (and 5a)
Ao amin’ny II Tim 4: 1-5 i Paoly dia manome andraikitra an’i TIMOTY mba
ahatanterahany ny asa fanompoany. Mitaky toetra izany. Isan’ny mampiavaka ity epistily faharoa ho an’i TIMOTY ity, noho izy ahitana FAMPORISIHANA maro. Isan’izany ireo toetra tanisaina ireo.Ilana fahazotoana ny asa fanompoana indrindra ny fitorian-teny, hoy Paoly manamafy izany ao amin’ny Rom 12:11: “Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo”.Takina ihany koa ny fahari-po, izay toetr’Andriamanitra takina mba hiainan’izay rehetra mivonona hihaona Aminy; Vokatry ny asan’ny Fanahy io fahari-po io araka ny Gal 5:22.
Ankoatr’ireo dia toetra takina amin’ireo vonona hihaona amin’ny Tompo ny fahononan-tena amin’ny zavatra rehetra. Amin’izao androntsika izao dia betsaka ireo Fiangonana mandrantiranty fa any aminy no misy zava-tsoa,  toy izany ny filàna samihafa eto amin’izao tontolo izao; Mila mahonon-tena isika mba tsy ho voatarik’ireny, ka mahatonga antsika hivily lalana. Manamafy an’izany Petera ao amin’ny epistily voalohany nosoratany I Pet 1:13; 4:7; 5:8; ary izany fahononan-tena izany ihany koa no hafatra nampitondraina an’i Mosesy ho an’i zanak’Israely mba tsy hanakaiky vehivavy mialohan’ny hihaona ao amin’ny Tompo (Eks 19:15d) Tsy maintsy miaritra fahoriana ihany koa ny olona mivonona hihaona amin’ny Tompo. Hamafisin’i Paoly Apostoly ihany koa io ao amin’ny Rom 12:12. Satria hoy i Jesoa ao amin’ny Jao. 16: 33 “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, matokia fa Izaho efa nandresy izao tontolo izao”.

Araka izany ny olona izay manao asa fanompoana amin’ny alalan’ny fitorian-teny dia mila manana fahazotoana, fahari-po, fahononan-tena, ary miaritra fahoriana. Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo, maro ny zava-misy sy mitranga eto amin’izao fiainana izao,mirenty sy manintona izy ireny. Entanina ianao mba hanana fahononan-tena. Indraindray lafiny ara-pivavahana no itarihany anao, Tandremo! Fa hamily lalana anao izany.Miseho lany ankehitriny ny fahalainana sy ny sakana tsy mampientana ny olona hitory ny Filazantsara. Noho izany mazotoa na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana.Tsy atao sakana tsy itoriana ny Filazantsara ny fahoriana miseho lany eto amin’izao tontolo izao, natao hiaretana izany.Ny fiaretana sy ny faharetana dia toetra tokony hita taratra eny amin’ny mpino.Meteza àry isika hanana ireo toetra ireo ho mariky ny fahavononana hihaona amin’ny Tompo.

Raha fehezina izay rehetra voalaza izay, ny fahavononana hihaona amin’ny Tompo diamitaky asa, iray amin’izany ny fitoriana ny Filazantsara mba ho fandresen-dahatra,fananarana, famporisihana ary mitaky toetra izany asa izany dia: ny fahazotoana, fahari-po,fahononan-tena, fiaretana fahoriana. Fa hoy i Jesoa Kristy: “Ny haniko dia manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” (Jao 4: 34). Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.  Amen!

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV