SP 11/ FJKM Tranovato Rasalama Ambohipotsy
Nanao Tafika Masina sy
manangana trano fiangonana any Mampikony
Nanatanteraka Tafika Masina tany Ankijanomadiro Mampikony ny FJKM Rasalama Martiora Ambohipotsy, notarihan’ny Mpitandrina mivady sy ny sa AFF, ny 09-15 septambra 2018. 32 no isan’ny mpiantafika. Isaky ny maraina hatramin’ny tolakandro dia nanorina trano fiangonana, izay mirefy 6mx12m. Vita tamin’io fotoana io ny fototra izay natao béton armé sy vodivato. Ny mpiantafika nampian’ny maçons 3 lahy sy Injeniera 2 (ny Mpitandrina mivady) no nanao ny asa. Efa natomboka koa ny fandatsahana ny parpaings vita amin’ny simenitra.
Ny tolakandro kosa dia fitoriana ankalamanjana ka ny ankizy dia nantsoin’ny mpampianatra sekoly alahady nilalao sy nampianarina asa tanana, sady nitoriana ny Filazantsara sy nizarana Baiboly sy trakitra samihafa; ny tanora nantsoina hilalao baolina sady natao toy izany koa. Ny harivariva dia nanao famangian-tokantrano ary rehefa maty masoandro dia nanao hira sy nandefa sarimihetsika masina.
Maro no nanolo-tena ho an’ny Tompo ka niroso hianatra katekomena sy hatao batisa. Efa natolotra ny katekista sy Mpitandrina any an-toerana ireny hanohizany ny asa.Mbola misy ny ezaka ilana tolo-tànana hamitana ny trano fiangonana fa efa mihamaro ny Kristiana eo an-toerana.Misaotra ny Tompo fa Azy ny asa.
Ramanantsoa Tiana Dani, Mpitandrina,
Fjkm Rasalama Martiora Ambohipotsy