SAMPATI/ Lasy Jobily sy Zaikabe 2019.

 

LASY JOBILY SY ZAIKABE SAMPATI 2019

25-26-27-28-29-30 OKTOBRA 2019 FENERIVE-EST

SYNODAMPARITANY AFOVOANY ATSINANANA VAOVAO (SP.02)

Noho ny fiovan’ny datin’ny fanadinam-panjakana amin’ny taona 2019 dia tsy ho Septambtra ny datin’ny Lasy Jobily sy Zaikabe SAMPATI. Koa indro omena antsika izany, satria atao aorian’ny BACC  mba hahafahan’ny rehetra manatrika.

  • 25 Okt 2019 : FAHATONGAVANA
  • 26-28 Okt 2019 : LASY JOBILY
  • 29 -30 Okt 2019 : ZAIKABE

Lasy lehibe izay natokana ho an’ny Komitim-pivondronana, ny Filoha MTEM, ny Mpiandraikitra, ny Beazina. Koa manentana ny SAMPATI Synodamaparitany sy ny SAMPATI Isam-pitandremana mba hanao ho zava- dehibe ny fiombonana ato amin’ ny Sampati ; samia miomana dieny izao ho an’ny Fénérive Est   fa tsy hanao fandaharam-potoana hafa  intsony. Aoka samy iaina ny teny faneva hoe “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao “(Mat.5 :14a).

Hisy ihany koa ny fifaninanana isa-tsynodamparitany araka ny mahazatra araka ireto taranja manaraka ireto:

  • Soratra Masina : vakio ny Filazantsara Matio
  • Fanatanjahan-tena : foot à 7, scouting ball, basket ball, petanque
  • Kolotalenta : vako-drazana, dihy mirindra (mifantoka amin’ny Mat.5,14)

Ny saram-pisoratana anarana amin’ny Lasin-jobily dia Ar 500 isan’olona

SARAN-DASY:

– Lasy Jobily sy Fihaonam-be: 3 000 ar isan’olona

– Zaikabe: 15 000 ar isan’olona

MIOMANA KOSA ISIKA AMIN’NY IVON’NY JOBILY ny ASABOTSY 24 NOVAMBRA 2018 ETO ANTANANARIVO – ANTSAHAMANITRA

Ny Tonia

RANDRIAMANANTENA SOLO

Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV