Hafatry ny Filoha / Novambra 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA

Dia ny Filazantsara
Izay tena hery mampijoro
Ny fahadiovan-tokantrano.
Koa rah’handeha hifidy ianao
Mba olo-marin-tokantrano
No fidio hitondra anao;
Fa tsy olona efa hita,
Na re laza ombieniombieny
Fa lahy manambady lahy,
Na vavy manambady vavy.
Fa raha’zany no hitombo
Ho lany ringana eto isika!
Vontosy Filazantsara
Ny Nosy Madagasikara
Dia ny Filazantsara
Izay tena hery mampijoro
Ny fahadiovan-tokantrano.
Ka rah’handeha hifidy ianao
Mba olo-marin-tokantrano
No fidio hitondra anao;
Fa tsy olona efa hita,
Na re laza ombiembieny
Fa mpanitsakitsa-bady,
Manampatra ny volabeny,
Manampatra ny fahefany,
Handehanany hanadala
Tanora izay, na vadin’olona.
Fa rah’ny olona mpitondra
No sanatria mpijangajanga,
Ho teny foana ny antso hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA.

IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina 

Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV