AFIFAB/ Radio Fahazavana Toamasina

AFIFAB FJKM

Notokanana tamin’ny fomba ara-piangonana

ny Radio Fahazavana Toamasina

Tontosa ny Sabotsy 13 Oktobra 2018  lasa teo tao amin’ny Sekoly David Jones Anjoma Toamasina ny fitokanana tamin’ny fomba ara-piangonana ny Radio Fahazavana Toamasina, izay raisina amin’ny maridrefy 88.6 FM any an-toerana. Voatendry ho filohan’ny Komity ny AFIFAB Toamasina tamin’io fotoana io ihany koa Andriamatoa RAVELOMANAMPIRAIBE ANDRIAMAMPIANTONA, Mpitandrina, ary fitandremana maro eo anivon’ny Synodamparitany Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara no handrafitra ireo mpikambana ao anatin’izany.

Fotoam-pivavahana no nentina nanamarihana izany fotoana sarobidy izany ka nitarika ny fotoana  Andriamatoa RAKOTONDRAZANANY Handritiana, Mpitandrina  sady Prezidà Synodaly any an-toerana. Nitory ny Tenin’Andriamanitra kosa ny Mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona, Tonian’ny  Departemantan’ny Fiangonana.

Raha tsiahivina fohy ny tantara, tamin’ny taona 2007 no nisokatra ny Radio Fahazavana tany Toamasina. Tamin’ny taona 2010 anefa dia nikatona izany ary izao niverina nisokatra izao indray. Faly sy ravo araka izany ireo vahoaka kristiana ao an-tampon-tanànan’i Betsimisaraka sy ny manodidina noho izao fiverenan’ny onjam-peo Fahazavana izao.

Mauria Razanakolona

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV