FDF/ Ny Fiangonana !!!

NY FIANGONANA

Ambaratongan-drafitra telo no mifanongoa ka mandrafitra ny FJKM ho trano Fiangonana lehibe dia ny Fitandremana sy ny Synodamparitany ary ny Synoda Lehibe, araka ny Fotodalàna (FDF) andininy faha 14 hoe: “Rafitra Presbyteriana Synodaly no arahin’ny FJKM ary misy ireto Ambaratongan-drafitra ireto : Fitandremana, Synodamparitany, Synoda Lehibe.”

Na izany aza, misy ny antsoina hoe “Fiangonana olona”, enti-manambara ny vahoakan’Andriamanitra ao no misy ny “Fiangonana trano” ao anaty Fitandremana rafitra. Ny amin’io Fiangonana io no entina eto.

Ny Fiangonana olona

Ny FDF andininy faha 10 no mamaritra ny fisian’ny olona antsoina hoe; Fiangonana, araka izao: Ny Fiangonana tsirairay dia fitambaran’ny mpiara-mivavaka sy mpiara-miangona amin’ny toerana iray araka ny fotopinoana sy ny fomba ary adidy iraisan’ny FJKM”

Misy sokajy telo ireo mpiara-mivavaka sy ireo mpiara-miangona araka ny FDF andininy faha 11 hoe: “Ao amin’ny Fiangonana tsirairay dia misy ny: 1. Vita Batisa, 2. Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, 3. Mpiara-mivavaka”.

Ny Fiangonana trano ao anaty Fitandremana rafitra

Ity Fiangonana trano ity dia enti-maneho ireo karazana tomponandraikitra sy ny antom-pisian’ny Fiangonana. Raha ambara amin’ny fomba hafa dia enti-milaza ny fahefana misy ao. Ambara mialoha anefa fa ny Fiangonana dia tsy rafitra manana fahefa-pitondrana fa miankina amin’ny Fitandremana ny fitondrana azy.

Tsy ny olona rehetra ao amin’ny Fiangonana voatanisa etsy ambony no manana andraikitra amin’ny fanatanterahana fanompoana ao amin’ny Fiangonana fa misy ireto karazany, izay tanisain’ny FDF andininy faha 12 hoe: “Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny karazam-panompoana sy ny andraikitra samihafa ao amin’ny Fiangonana tsirairay ny : Mpitandrina, Diakona, Loholona, Mpitoriteny, Iraka, Mpiandry, Katekista, Mpampianatra, Mpitendry zava-maneno, Mpiandraikitra Sampana, Mpikarakara Fiangonana.”

Amin’izany, ny antom-pisiany dia ny “Mikarakara ny olona rehetra sy ny olona manontolo, araka ny fomba sy ny adidin’ny FJKM, ny Fiangonana tsirairay”.

Ny Fiangonana no ilay toa zana-drafitra kely tsy mahefa ao anaty Fitandremana. Mpitandrina iray izay tendren’ny Mpihevidraharahan’ny Synodamparitany, na notendren’ny Foibe mivantana no tomponandraikitra voalohany ao. Fa ny Komity Lehiben’ny Synodamparitany kosa no manao ny fandaminana ireo Fiangonana iray na maromaro hatambatra mba ho Fitandremana araka ny famaritana ny Fitandremana hoe :Ny Fitandremana dia Fiangonana iray (1) na maromaro entin’ny Mpitandrina iray (1) araka ny fandaminana ataon’ny Komity Lehiben’ny Synodamparitany.”(FDF and. 15). Noho izany, raha iray ny Fiangonana entin’ny Mpitandrina dia sady Fitandremana izy io no Fiangonana.

Noho ny mety ho fidadasiky ny Fitandremana na noho ny hamaroan’ny Fiangonana izay mitambatra ho Fitandremana dia manana fahafahana hangataka amin’ny Mpihevidraharahan’ny SP ny Fitandremana mba hanendrena Katekista Delege ilay Fiangonana iray ao anaty Fitandremana, araka ny FDF andininy faha 317. “Antsoina hoe “Katekista Delege” ny Katekista nahazo “Delegasiona Pastoraly” ka tendren’ny Synodamparitany mba hanatanteraka “Asa Pastoraly” ao amin’ny fiangonana ao anaty Fitandremana entin’ny Mpitandrina.” sy ny FDF andininy 319 Ny Mpihevidraharahan’ny Synodamparitany no manendry sy manala ny Katekista araka ny fangatahan’ny Fitandremana.”

Raha izany no izy, tsy manaraka ny fotodalàna sy fitsipika ny fanendrena Katekista Delege hitondra Fitandremana na aiza na aiza no misy izany, ary tsy Mpitandrina no ho fiantso ny Katekista Delege.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV