Tatitra/ Fandraisan-tànana ny PS 38

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA SP AAF 38

FANDRAISAN-TANANA PREZIDA SYNODALY

Tontosa ny sabotsy 13 Oktobra 2018 lasa teo, tao amin’ny FJKM Antampontanana Ambatolampy, ny fandraisan-tànana ny Prezida synodaly Atsinanan’Ankaratra Fahazavana, laharana faha 38, Andriamatoa NIRINARISON Emile Johnson William, Mpitandrina mianakavy .

Nitarika ny fotoana ny Mpitantsoratry ny Synodamparitany Andriamatoa RAKOTOARISON Andrianirina Mpitandrina. Nitory ny Tenin’Andriamanitra sady nanatanteraka ny fandraisan-tànana, ny Filohan’ny FJKM, Andriamatoa IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina, ka nasongadiny tamin’izany ny  Teny  faneva izay nofidiana  dia ny I Timoty  4 . 10a « Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona»,ka nanatsoahana ny lesona manao hoe : Mijoroa amin’ny  fahamarinana , faharoa,  miasà amin’ny fikirizana ary manompoa amin’ny fanantenana  .

Ny volana may  2017 raha tsiahivina, no nahatongavan’izy mianakavy  teo amin’ny Synodamparitany, ka izao tonga amin’ny fotoana  fandraisan-tanana izao.

Tonga nanotrona  ny fanompoam-pivavahana tamin’izany  ireo  avy amin’ny  Mpiandraikitra foibe nahitana an’Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala  Haja Mpitandrina sy  Andriamatoa  Marinasy, Mpitandrina,  ireo Prezida  Synodaly vitsivitsy sy vadina President synodaly, ny Komitin’ny AFIFAB Foibe  sy  ireo  Tonia  ary ireo  mpandraharaha maromaro  ao  amin’ny trano Ifanomezantsoa Analakely.

 Ankilan’izay dia tonga nanome voninahitra ity lanonana ity ihany koa ny avy amin’ny fitondram-panjakana, nahitana ny Lehiben’ny  Distrikan’Ambatolampy sy Antanifotsy izay  faritra misy ny Synodamparitany faha 38 ity,  ireo fianakaviana.

Naneho tokoa ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Synodamparitany  ny Prezida Synodaly , na  eo amin’ny asa anatiny na amin’ny asa ivelany  toy ny  fijoroan’ny  Radio Fahazavana  sy ny Oniversity FJKM Ravelojaona ary ny  Tafika Masina ataon’ny Synodamparitany any amin’ny Distrikan’ny  Betroka sy Ambovobe.

Fiara no natolotry ny Komity ho azy mianakavy tamin’izany, ho fanomezana  hahazoan’izy ireo  manantanteraka ny asa.

Ankoatra izany  dia nanafatra ny Filohan’ny FJKM, raha nanontanianay,  fa nomen’Andriamanitra  Mpanompo  ny  Synodamparitany  ka  hirariana ny  hitohizan’ny fifankatiavana mba hampandroso ny Fiangonana .

Andriniaina Nirina RANAIVOSOA (Ambolo Mikaroka)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV