Talata 16 Oktobra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 18.1-27 / 19.1-51

1-Tantara lava.

Namaky teny lava isika , saingy  Soratra masina daholo izany . Nomena antsika izany hahatsiarovantsika  fa eo  amin’ny  fiainan’ny  fiangonana dia ilaina ny  misahirana  mitahiry ny tantara . Ary tsy maintsy ikirizana ny asa atao mba ho  vita  hatramin’ny farany .

2-Natsangana ny Tranolay  fihaonana (and1)

Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny  firenena izany mariky ny fanatrehan’ny Tompo. Dia lasa foibem-pivavahana i Silo izay nananganana azy, sady toerana nanaovana ny fihaonamben’ny Zanak’ Israely rehetra mba tsy  ho voazarazaran’ny  fizaran-tany .

3-Nasaina  niezaka ireo  foko 7 amin’ny Israely  mbola tsy nahazo anjara

Nasain’i Josoa namantatra ny tany aloha izy ireo (and2-10), ka nony  azo  ny dinidinika  dia natao ny antsapaka . Ny  dinidinika dia mariho  fa tsy  maintsy an-tsoratra (and6,8,9). Manao ahoana ny firaiketan-tsoratra any amin’ny fiangonana sy fikambanana kristiana misy anao any ?

4-Nahazo zaratany koa i Josoa (and49-50)

Ny baikon’ny Tompo ihany  no namaritra izany. Sarobidy ny fitsinjovana ny mpanompon ‘Andriamanitra toy izany indrindra rehefa antitra izy.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-2

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV