Alatsinainy 15 Oktobra 2018.

Fandalinana ny  Bokin’i Josoa 

JOSOA 17.1-17

1- Ny  fanomezana anjara tany  ireo zanakavavy  tsy nanana anadahy (and3-6)

Zava-dehibe izany eo amin’ny fitsinjovana ny vehivavy. Fa efa hatramin’ny lalàn’i Mosesy no efa nisy fitsinjovana ny vehivavy toy izany . Mariho fa ireo zanakavavy ireo no nitaky ny  zony araka ny tenin’i Mosesy izay nampahatsiahiviny . Ianareo vehivavy , miorena koa amin’ny teny fikasan’ Andriamanitra dia aza menatra mitaky ny zonareo  ara-panahy  araka izany

2-Ny fanampiana ny  velaran-tany  ho an’ny taranak’i Josefa (and 14-17)

Eto koa dia ny taranak’i Josefa  no nangataka fanampiny, ary nomen’i Josoa izy , saingy tsy maintsy nandeha hiezaka nikapa ala matevina izy mba ho azo onenana, ary naka ny tanin’ny Kananita izay hary fitaovam-piadiana . Nomen’i Josoa toky anefa izy ireo fa handresy. Ary mba toy izany koa rehefa mangataka ianao dia mivonona handray ny andraikitrao , na dia  mety tsy ho mora aza izany .Matokia koa anefa fa tsy hiady irery ianao . Hampandresy anao i Jesoa .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

« Raiso ny Tenin’Andriamanitra » Boky faha-2

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV