Zoma 12 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 14.1-15

1-Ataovy mazava ny hatao (and1-5)

Jereo ange ny dinidinika fototra voalaza eto e : ny faritra hozaraina:Kanana, ny hizara azy Eleazara,i Josoa ary ireo loholona(and1),ny fomba fizarana azy: antsapaka,ny fitsipika mifehy ny fizarana : ny nandidian’i Jehovah (and2,5), ny hizarana ny tany : ireo firenena 9 sy sasany (and2), ny dinidinika tsara ho fantatra : momba ireo firenena 2 sy sasany ,ny Levita ary ny taranak’i Josefa (and3-4). Mazava avokoa ny zavatra rehetra vao hirosoana ny fizarana .Mba mahay manao toy izany ve isika rehefa miasa ?

2-Mijoroa tahaka an’i Kaleba!

Fa inona no nataony ?Mampahatsiahy ny teny fampanantenana natao taminy izy (and6.9). Ianao koa: aza adinoina ny teny fikasan’ Andriamanitra ho anao ao  amin’i Jesoa Kristy (Jao 10.10) ohatra . Sahy nitaky ny zony izy hoe : »omeo ahy iry tendrombohitra iry izay efa nolazain’i Jehovah« (and12). Tano mafy ny Tenin’ ny Tompo dia mivavaha mifanaraka amin’izany fa manana izany  zo ara-panahy izany koa ianao , tsy nipetra-potsiny niandry hotolorana izy(and10-11). Nambarany fa mbola afa-miady izy ka dia niady tokoa, nahay nanaja rafitra izy, nangataka ny tsodranon’i Josoa izy vao nihetsika , na zony aza izany (and13).

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-2

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV