Tsara ho fantatra momba ny TPM / FJKM.

NY TOERAM-PANOMANANA MPITANDRINA FJKM.

Eo am-panokafana ny taona hoaviny ny FJKM ankehitriny, ka manome anjara toerana ny fanomanana ireo ho tomponandraikitra eny anivon’ny Fiangonana. Iray amin’ny tsangambato lehibe amin’izao taon-jobilin’ny FJKM izao ny trano lehibe izay aorina eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato. Ara-tantara, ny Kolejy Teolojika Ivato dia iray amin’ny tsangambaton’ny firaisan’ny Fiangonana telo tonta izay tonga FJKM, iray, tamin’ny taona 1968. Ny fananana toeram-panomanana iray dia ezaka ho fitehirizana ny fiombonan’ny FJKM. Ny tsara ho fantatra momba ny Toeram-panomanana Mpitandrina (TPM), araka izay ambaran’ny Fotodalana sy Fitsipika azy, no atolotra eto.

  • Ny Toeram-panomanana Mpitandrina

Ny TPM dia toerana iomanana sy ianaran’ireo nandray antso ho Mpitandrina araka ny Foto-dalana andininy faha-38 hoe: Ny Mpitandrina dia izay mahatsiaro ny tenany fa voaantson’Andriamanitra ka niomana sy nianatra ara-dalàna tao amin’ireo Toeram-Panomanana Mpitandrina an’ny FJKM na Toeram-Panomanana Mpitandrina hafa eken’ny FJKM, ka nirahina ho amin’ny fanompoana masina ao amin’ny Fiangonana”.

  • Ny tomponandraikitra amin’ny TPM iray iombonana

Ny Komitin’ny Fampianarana Teolojika (KFT) no miandraikitra ny momba ny TPM. KFT iray ihany no miahy ny TPM ato anivon’ny FJKM, araka ny Fitsipika andininy faha-114 hoe: “Komitin’ny Fampianarana Teolojika iray no an’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina rehetra ato amin’ny FJKM.”

Ny Fitsipika andininy faha 115 no mamaritra ny andraikitry ny KFT ho toy izao: “Ny Komitin’ny Fampianarana Teolojika no mandinika ny fampianarana sy ny fanomanana ireo ho Mpitandrina araka izao :

  1. Manapaka ny Fitsipika Anatiny momba ny Kolejy Teolojika sy ny Faculté de Théologie.
  2. Miara-miasa amin’ny Filankevitry ny Mpampianatra ao amin’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina momba ny fandaminana sy izay mikasika ny fiainam-panahy sy saina ary vatan’ny Mpianatra.
  3. Manara-maso ny Mpampianatra ka manao tatitra any amin’ny Mpiandraikitra Foibe.
  4. Manampy ny Mpampianatra amin’ny fampiharana ny Fitsipika itondrana ny Mpianatra.
  5. Manara-maso ny fandehan’ny fianarana sy ny fampianarana.
  6. Manao ny fanadinana fandraisana Mpianatra.
  7. Mametra ny isan’ny Mpianatra azo raisina mifanaraka amin’ny toerana azo andraisana azy ireo any amin’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina araka ny fandaminana sy ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe.
  8. Manala ny Mpianatra rehefa nandinika ny tatitra avy amin’ny Filankevitry ny Mpampianatra.”
  • Ny Tomponandraikitra mpanatanteraka isaky ny TPM

Ankehitriny, ireto avy ireo toerana misy TPM: Mandritsara, Ambatondrazaka, Ivato Antananarivo, Ambatonakanga Antananarivo, ary Fianarantsoa.

Ny TPM tsirairay dia ny “Doyen” na ny “Tale” no tomponandraikitra mampandeha azy, araka ny Fitsipika andininy faha-122 hoe: Ny « Doyen » sy ny Talen’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina izay tompon’andraikitra ankapobeny no mandinika miaraka amin’ny Mpampianatra ny fitsinjarana asa momba ny fitaizana, fampandrosoana, fampianarana ny Mpianatra sy ny vadin’ny Mpianatra.”

Izy ireo ihany koa no tomponandraikitra eo anatrehan’ny Mpiandraikitra Foibe ho amin’ny fahalavorarian’ny fanomanana Mpitandrina sahaniny araka ny Fitsipika andininy faha-123 hoe: “Tomponandraikitra eo anatrehan’ny Mpiandraikitra Foibe ny amin’ny fiainan’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina ankapobeny sy ny fizotry ny fampianarana any amin’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina ny « Doyen » sy ny Talen’ny Kolejy Teolojika.”

Fa mba hahazoany mandavorary ny fitondrana ny TPM dia manana ny Fitsipika anatiny ifampifehezany ny TPM tsirairay, araka ny voafaritry ny Fitsipika andininy faha 126 hoe: Manana Fitsipika ifampifehezana ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina izay ataon’ny fivoriana iarahan’ny Mpampianatra sy ny solontenan’ny Mpianatra ary ampahafantarina ny Mpiandraikitra Foibe ka ekeny vao manan-kery”.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV