STK/Antso ho an’ny Antoko mpihira.

FIANTSOANA 

Araka ny fantatsika dia hotanterahina eo amin’ny kianjaben’Imahamasina ny Fanompoampivavahana Famaranana ny Jobily faha-50 T FJKM sy ny faha-200T nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara ny Alahady 21 Oktobra 2018 amin’ny 10 ora maraina . Koa ny FOIBE FJKM sy ny STK dia miantso  ny Antoko mpihira ao anatin’ny Fitandremana mba hanomana sy hamerina ireo hira ireo miisa 15 voafantina.

-Ny fanamiana dia fotsy ambony sy mainty ambany ary kravaty na fehitenda mena mba hiavahan’ny Antoko Mpihira

-Amin’ny 7 ora maraina no ahatongavan’ny Antoko mpihira

-Atao anaty chemise cartonné miloko manga ny  tononkira

-Aoka hiomana  amin’ny satroka, rano, sakafo maivana

Hisy famerenan-kira iombonan’nySP tsirairay araka ny fandaminan’ny Birao STK / SP  ary ny iraisana kosa dia ny Sabotsy 20 Oktobra 2018,amin’ny 2 ora tolakandro ao Mahamasina .

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana Foibe FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV