SFL 40Taona/ Fanompoampivavahana .
Fanolorana ny KOMITY FAHA 40 TAONA SFL
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia feno 40 taona ny Sampana Fivondronana Laika ny taona 2019 ho avy izao. Hanatanteraka fanompoampivavahana isika ho fanolorana ny Komitin’izany Fankalazana izany ny Alahady 7 Oktobra 2018 izao manomboka amin’ny 2ora sy sasany hariva ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga( SP IA 19).
Koa fifaliana ho an‘ny Filoha sy Birao ary ny Tonian‘ny SFL ny manasa antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra hifanotrona amin’izany fotoan-dehibe izany indrindra hiara-hientana isika amin’ny fanorenana Tsangambato dia ny trano Fiangonana vaovao ao Befasy Morondava izany.
Ny antoko mpihira VFL rehetra te-handray anjara hira dia iangaviana mba hisoratra anarana any amin’ny Foibe SFL var 502 na hiantso ny 034 95 526 27/033 41 086 45 alohan’ny Alarobia 3 Oktobra 2018
Manantena ny fiombonantsika hatrany ry havana, ary ho tonga maro hanao ho zava-dehibe io fotoana io ho Voninahitr’Andriamanitra.
“Ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako” Jakoba 2: 18b
SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)
Immeuble IFANOMEZANTSOA I Analakely
Rihana faha-5 varavarana 502 B.P. 623 – Antananarivo 101
BFV N° 00005 210 002 687 51 89 BFV Antaninarenina
Tel 020 22 287 90 / 034 95 526 27 / 033 41 086 45
e-mail : sflfjkm@gmail.com
„Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany.?“ (Mat. 5,47b)