Zanaky ny Mpitandrina FJKM/ Fihaonambe I

FIHAONAMBEN’NY ZANAKY

NY MPITANDRINA 2018.

Hotanterahina ny 26,27,28 Septambra 2018  ny FIHAONAMBE VOALOHANY ho an’ny ny Zanaky ny Mpitandrina  FJKM manerana ny  sahan’ny FJKM .

Ny fanokafana dia  ny Alarobia 26 Septambra  2018 , manomboka amin’ny 8 ora maraina , ao amin’ny Sehatra  Antsahamanitra Antananarivo.

Asaina amin’izany avokoa  ny zanaky ny Mpitandrina mbola amperinasa , ny zanak’ireo Mpitandrina efa misotro ronono , ny zanaky ny Mpitandrina efa nodimandry  anatin’ny fe-potoana 14 TAONA no ho miakatra .

Ny fahatongavana dia miankina amin’ny fandaminan’ny tsirairay fa tsy misy ny fandaminana manokana . Ny 25 Septambra 2018  no fandraisam-bahiny ao Antsahamanitra  fanomezana ny andinindiny mahakasika ny Fihaonambe . Ho an’ireo tsy manan-kovantanina dia aoka hampilaza mialohan’ny 15 Septambra 2018 , hijerena izay azo atao .

Hisy ny fiofanana ara-tSoratra masina , Takalo sehatra avy amin’ny isan-tSynodamparitany , fifampizarana samihafa, fijoroana ho vavolombelona ataon’ny zanaky ny Mpitandrina  amin’ny sehatra samihafa .

Ento am-bavaka izany Fihaonambe izany  hitondra fampandrosoana amin’ny asan’ Andriamanitra .

  » Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako« 3 Jaona 1 : 4

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV