SP AA 11/ Vaovao ampitaina

VAOVAO SP ANTANANARIVO ATSIMO (SP AA11)

1-Hotanterahina ny Sabotsy 15 Septambra 2018 ny Jobily faha-25 Taona maha-Mpitandrina sy ny faha-10 Taona fiaraha-miasan

ny Mpitandrina RAKOTOMALALA Hanta sy

ny  Fitandremana AMBOHIMAHITSY  Malala (SP 11).

Koa antsoina isika mpianakavin’ny finoana , ireo tapaka sy namana ho tonga hanome voninahitra an’ Andriamanitra any an-toerana . Hanomboka amin’ny 9ora sy sasany ny fotoana .

2-Hankalaza an’ Andriamanitra isam-pitandremana ny vahoaka kristiana ao anatin’ny ny SP Antananarivo Atsimo, noho  ny

faha- 50 Taonan’ny FJKM sy

ny faha- 200Taonan’ny LMS ,

ny Alahady 16 Septambra 2018 ho avy izao . Ny Rakitra voavory dia hoentina any amin’ny Fivoriambe SP 11, izay hatao ao amin’ny FJKM  AMBOHIPOTSY  RASALAMA MARITIORA  ny Sabotsy 29 Septambra 2018 , ho fandraisantsika anjara amin’ny fanorenana ny Tsangambaton-jobily : fanorenana ny tranobe Toerampanomanana Mpitandrina eny Ivato . Samia mifanentana,fa ny tao-trano tsy efan’ny irery .Koa izay rehetra ataonao dia ataovy amin’ny fitiavana .Ho voninahitr’ Andriamanitra .

Perikopa

Mey: Manàna fahamarinana eo anatrehan''ny Tompo

| | 26. Ala V man Paska- Alahadin'ny FFPM
Joba 1.1-5 / Mat 5. 17-20 / Rom 6.8-14

| | 30. Andro Niakarana
Sal 11.1-7 / Lio 24.50-53 / Kol 3.1-11

Jona: Meteza hofenoina ny Fanahy Masina

| | 02. Alah VI man. PASKA
Sal 143.7-10 / Lio 2.25-32 / 1 Kor 6.12-20

| | 09. PENTEKOSTA / Sekoly FJKM
2 Tant 20.14-17 / Mar 3.20-30 / Asa 2.1-13

FJKM Fahazavana

Toriteny Mpitandrina Zarazaka Jean Louis

ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina ,
Mahamasina / 20 01 2019