Alahadin’ny AFF 2018.

FIANGONAN’ I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

SAMPANASA ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA

Fiangonana ho an’ny isan-tanana

Filazantsara ho an’ny isam-batan’olona

                                                     9 Septambra 2018

Fandaharana iombonana 

  • Hira faneva faha 50 taona FJKM
  • Fiarahabana Apostolika
  • Fiderana : Salamo 5 / 2-5

Hira : 36

Vavaka

  • Tenin’Andriamanitra
  • 5mn ho an’ny ankizy
  • Hira : FF 6 : 1
  • Vavaka
  • Salamo 15/ 1 -5
  • Lio 16 / 1- 18
  • Ikor 6/ 9-11
  • Hira : FF 6 : 2
  • Toriteny

Sambatra ny mahitsy lalana ….

  • Vavaka fiaken-keloka

Hira 447 : 2 ; 3

  • Famelan-keloka : I Jao 1 / 8-9

Hira : 512 : 1,2,4

  • Fanekem-pinoana laharana faharoa
  • Asa vavolombelona
  • Filazan-draharaha
  • Fanatitra
  • Famaranana

Hira FF 47 : 1

Tsodrano

Hira  FF 47 : 2

                  Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

……………………………………………………………………………………………………………………………

TORITENY 

Sahia manohitra ny kolikoly

Sal 15/1-5 ; Lio 16/1-8 ; I Kor 6/9-11

Manjakazaka mampitanondrika ny firenena ny kolikoly; manerana ny toerana rehetra na an-drenivohitra na ambanivohitra; mahazo ny sokajon’olona rehetra eny hatramin’ny olon’ny Fiangonana aza . Isaorana anefa Andriamanitra izay efa nanao fanekena hamonjy ny olony ka tsy mba manatsoaka izany fanekeny izany. Miasa mandrakariva izy, miteny amintsika , mitari-dàlana, mampahery, mampandini-tena koa.

  1. Mitari-dalana sy mampahery Andriamanitra ( sal 15)

Mampahery Andriamanitra amin’ny ampanantenany fa efa voavotra ary miandry ho an’izany manam-panirina ny hitoetra ao aminy tendrombohitra masina ( sal 15/1) na fonenana mandrakizay ( lio 16/9).Efa nampanantenany hatramin’ny fahagola izany araka izany hita ao amin’ny Deo 6/10 ; nefa dia mbola ampatsiahiviny ankehitriny izao ho an’ny olona sy ny firenena tratrany sy torovana noho ny toe-javatra manahirana sy mampalahelo, dia ny fahalovana amin’ny endriny maro samihafa ary lohany amin’ireny ny kolikoly.

Mitari-dàlana sy manome torohevitra koa anefa izy fa izay tapa-kevitra hiditra sy honina amin’ny izany dia tsy maintsy “Mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy…tsy mampihena ny volany na mandray kolikoly hanamelohana ny marina “ (sal 15/2-5) . Ary raha misy manapa-kevitra ka vonona hitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.Andriamanitra no manome toky sy miantoka izany fa ny fahavononantsika sy ny fanapahan-kevitsika no andrasany.

Ho antsika Malagasy, ho an’ny Fiangonana sy ny Kristianina tsirairay ; raiso izany fampaherazan’Andriamanitra antsika izany ; itokio fa tsy mba fampanantenana toy ny ataontsika olombelona ny fampanantenany fa marina ary to tanteraka ny teniny. Sahia koa anefa mandray fanapahan-kevitra ,ka hivonona handray sy hanaraka ny toro-làlana omeny.

2-Mampadini-tena Andriamanitra ( Lio 16/1-8 ; I kor 6/9-1)

Hitantsika ato amin’ny Lio 16/1-8 ny momba ilay mpitandrina tsy marina ; rehefa nesorin’ny tompony tsy hitandrina ny fananany intsony izy dia mampiasa tetika mba hitsinjovany ny ho avin’ny fiainany any aoriana; nantsoiny izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony ka nasainy nandoa ny trosany ary nasiany fihenam-bidy izany mba hampirisika ireo manan-trosa ireo.

Hoy ny and 8: “ Ary ny tompony midera ilay mpitandrina tsy marina , satria manan-tsaina izy , fa ny zanak’izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava”

Tsy sanatria mampianatra ny kristianina hanao hafetsifetsena na hangalatra ny soratra masina fa mampandini-tena antsika kosa eo anatrehan’ny fomba fisainan’izao tontolo izao izany mahay mihevitra sy manomana ny fiainan-ko aviny. Fa isika Fiangonana na dia efa ampahafantarin’ny Tompo mazava ny zavatra ho avy aza dia mbola tavela ao amin’ny filalaovan-dratsy  ihany , tsy mahay manomana ny ho avy, hany ka lazaina fa ambakain’ny izao zanak’izao tontolo izao.

Hoy Paoly tamin’ireo kristianina tao Korinto: “Hampahamenatra anareo no itenenako izany , hay ! dia tsy misy olon-kendry aminareo na dia iray akory aza “ I Kor 6.5

Ny fiangonana tao Korinto na dia efa nofidin’Andriamanitra ary nataony hampamenatra ny hendry aza dia tarihiny mba hadini-tena hatrany kosa, ka ilazany hoe » Fa hevero ny fiantsoana anareo sy rahalahy”  I Kor 1.26.

Aoka hanana fandinihan-tena hatrany isika izay milaza fa mpanara-dia ny Tompo, fandrao ho tahaka ireo jiosy tamin’ny andron’ny Tompo izay mirehareha fa zanak’i Abrahana sy zanak’Andriamanitra , nefa novakian’I Jesoa bantsilana fa zanaky ny devoly (Jao. 8.38-41). Aza mety hofitahina ianareo ,fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra “ 1Kor 6.9-10

Isaorantsika Andriamanitra izay tsy mitsahatra mampahery sy mitari-dàlana ary mampandinin-tena antsika. Ny Fanahiny masina anie hampitoetra ny teniny ao am-pontsika mba hahatonga antsika hahery hatrany amin’ny fanantenana sy fahatokiana azy ary hijoro ka sahy hanohitra ny kolikoly sy ny zava-dratsy mampihitsoka ny firenentsika.

Ho azy irery ny Voninahitra. Amena

………………………………………………………………………………………………………………………….

TATITRA

TAFIKA MASINA 2018

ANTANIMBARIBE KANDREHO SP MAEVATSARA sy

ANTSAHALAVA  SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA 

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana fa tontosa soa amantsara ny Tafika Masina izay notanterahina tany Kandreho Antanimbaribe , Synodamparitany Maevatsara sy tany Antsahalava  SP Atsinanan’Ankaratra Fahazavana  SP 38 ny 19 Jolay -23 Jolay 2018 lasa teo, izay soritrasan’ny AFF Foibe rahateo.

Misaotra antsika Synodamparitany, Fiangonana manontolo ihany koa izay  nandefa solotena niatrika  izany Tafika Masina izany sy isika rehetra nitrotro am-bavaka ka nahatanteraka izany, ary indrindra isika mpiantafika 123 mianadahy izay niara-niezaka sy nifarimbona  niaraka tamin’ny Poste d’Evangelisation Kandreho sy ny AFF SP 38.

Isaorana ireo kristiana, izay namatsy ny AFF tamin’ny fitaovana toy ny Baiboly , fihirana, , mofon’aina , boky kely  sy ny maro hafa koa.

Isaorana ny PEv Kandreho izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiantranoana sy  fampisakafoana ny mpiantafika mandroso sy miverina. Isaorana toy izany koa ny Commune Rurale  sy ireo kristiana Antsahalava izay nampiantrano ireo mpiantafika.

Azo lazaina ho tsara ny vokatra  tamin’ny fanatanterahana ny Tafika Masina , satria tratra ny tanjona dia ny hananganana vondrona olona miara-mivavaka amin’ireo toerana ireo.

Toy izao manaraka izao ary no azo hambara mahakasika izany :

  • ANTANIMBARIBE
  • Niisa 50 mianadahy teo ho eo ny nanatanteraka ny Tafika Masina

-33 avy aty Antananarivo

-17  avy ao amin’ny PEv Kandreho

  • Nahatratra 300 ny tokatrano voatsidika  ka ny 90% no nanapa-kevitra nandray ny Tompo
  • Efa manana tany azo hanorenana ny trano Fiangonana ny ao Antanimbaribe
  • Tao ihany koa ireo Fiangonana maro izay nanome sahady felatànana ho an’izany vondrombavaka ao Antanimbaribe izany : Betafo, Mahazoarivo Imeritsiatosika, Ambohimalaza  …)

Ireto kosa ireo Fiangonana nandefa solotena nanatanteraka izany Tafika Masina izany:

Ambohidavenona                          Anjanahary Maritiora

Ankadifotsy                                      Ambohimalaza

Andrainarivo                                     Mahazoarivo

Ambatofotsy Avaradrano           Ambohibao

VSAFF                                                  Andravoahangy Fivavahana

Betafo Fanavaozana                      Imeritsiatosika

Ankadikely Ilafy                               Ambohimiandra

  • ANTSAHALAVA
  • Niisa 92 mianadahy no nanatanteraka ny Tafika Masina
  • 2 avy amin’ny AFF FOIBE
  • 90 avy aoamin’ny SP 38
  • 150 ny isan’ny tokatrano voatsidika
  • Nisy ny fitoriana ankalamanjana
  • Tsy mbola manana toerana hanorenana trano Fiangonana

Ireto kosa ireo Fiangonana nandefa solotena nanatanteraka izany Tafika Masina izany

Antampotanana                              Ankodondona Filadelfia

Ambohimandroso                          Behenjy Fihavaozana

Marohisana                                       Andravoravo

Betifaga                                              Ambolokotina

Morarano Salema                           Sabotsy Namatoana

Ambodiriana Fitiavana                  Andravola Fitiavana

Bezezika                                             Fiantsonana

Anjanamihoatra                              Ambatomena

Antsampandrano                           Mahazina Famonjena

Sahilaza                                               Ambakoana

Ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany tamin’izay rehetra tanteraka sy mbola kinasa, izay mbola hangatahana fiaraha miasa amitsika Fiangonana  amin’ny fanohizana ny asa fanorenana ny trano Fiangonana any Antanimbaribe Kandreho  sy any Antsahalava.

;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;;

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV