Tantara / Ny Sekoly Protestanta.

Ny sekoly protestanta

 Manana ny tantarany manokana eo amin’ny fiainan’ny sekoly FJKM ny taona 2018 satria 200 taona amin’ity volana Aogositra ity no nisian’ny Sekoly Protestanta voalohany teto Madagascar. Ilaina ny mahafantatra ny tantara ahafahana maka lesona sy manomana ny ho avy.  Ity tantara ity moa dia araka izay nosoratan-dRavelomanana ny taona 1960. Hizara telo ny famelabelarana :

  1. Ny niandohan’ny sekoly protestanta teto madagasikara
  2. Ny antompisian’ny sekoly protestanta
  3. Ny politikam-panabeazana tamin’ny andron’ny misionera

Ny niandohan’ny sekoly protestanta teto madagasikara

Rehefa niditra teto Madagasikara ireo Misionera avy tao Angleterre ny 18 Aogositra 1818. Tao Manareza Toamasina ny sekoly voalohany. Efa fantatsika ny tantara fa volana vitsivitsy taorian’izay dia maty moa i Thomas Bevan ary David Jones kosa nitsabo tena tany Morisy. Niverina anefa izy ary tonga teto Antananarivo ny Talata 3 octobre 1820. Noraisin-dRadama izy ary nanomboka ny sekoly voalohany tao Ifidirana Andafiavaratra ny zoma 8 Desambra 1820. Telo no isan’ny mpianatra tamin’izany.

Tonga nanampy an’I Jones ny misionera Griffiths ny 30 May 1821. Nosokafana ny sekoly faharoa tao amin’ny trano fitoerana entan-dRambolamasoandro. Niitatra tamin’ny faritra maro ny sekoly satria niampy ireo misionera tonga. Nisy ny sekoly tao Ambatomanga, tany Vonizongo, tany amin’ny faritra Betsileo, Vakinakaratra, Antsihanaka, Sakalava. Mbola lovaina hatramin’izao moa ireny sekoly ireny. Tamin’ny andro nanjakan- dRanavalona II dia nisy ny raharaha manokana mikasika ny sekoly. Araka ny lalana misy artikla 305 dia ny zaza feno valo taona dia tsy maintsy hampidirina an-tsekoly.

Tamin’izany dia natao ny fanisana ka toy izao no isan’ny sekoly :

LMS sy FFMA : 818

SPG : 41

NMS : 117

Katolika : 191

Ny antom-pisian’ny Sekoly Protestanta

Ny taona 1517 no nanaovana ny fanavaozana teo anivon’ny fiangonana izay nataon’I Luther. Anisan’ny fanavaozana natao tamin’izany ny fanavaozana ny fampianarana. Niaraka niasa tamin’I Melanchton i Luther tamin’izany. Ny tanjon’ny sekoly protestanta araka izay nolaizain’i Luther dia ny fanabeazana ho an’ny rehetra na lahy na vavy, na inona na inona kilasy sosialy misy azy. Tanjona ny hahaizan’ny rehetra mamaky teny sy manoratra, ny fifehezana ny teny fampiasa iraisam-pirenena, ny fandalinana ny siansa. Izany no natao dia ahafahan’ny olona mamaky ny baiboly sy mahazo izay voasoratra ao fa tsy hohambakaina. Ny saina no varavaran’ny fanahy (Ravelomanana, 1960, p.17). Talohan’io fotoana io tokoa mantsy dia voatokana ho an’ny mpitondra fivavahana, ny miaramila na ireo karazana olona ambony ao amin’ny fitondrana ny sekoly sy ny oniversité.toy izay ihany koa no tanjon’ny sekoly protestanta eto Madagasikara : Misokatra ho an’ny rehetra ary hanabeazana ny mahaolona manontolo.(Ravelomanana, 1960, p. 79)

Ny politikam-panabeazana

Ho an’ny rehetra ary andraikitry ny fanjakana sy ny fiangonana ny sekoly protestanta. Maimaimpoana ny fianarana.

Ny tenin-dreny no enti-mampianatra. Ianarana sy fehezina ny teny iraisam-pirenena (ny teny anglisy). Ianarana ihany koa ny siansa. Hilofosana ny fianarana ny soratra masina satria ny fahaizana ny teny sy ny siansa dia natao hahalalana bebe kokoa an’Andriamanitra? Ary hahalalana an’Andriamanitra dia ilaina ny mamaky baiboly.

Natao sokajy maro ny sekoly mba hifanaraka amin’ny filana sy hampandroso ny fiaraha-monina. Nisy ny sekoly ho an’ny zazavavy tao faravohitra, ny sekoly nianarana ny fambolena, sy ny soratra masina, ny sekoly ambony (Ambohijatovo), ny sekoly normaly (Mahazoarivo), ny sekoly alahady ho an’ny olona sahirana, ny fitaizana zaza kamboty, ny kilasimandry, ny sekoly fianarana ho mpitsabo.

Zava-dehibe ny fanofanana sy fanapariahana ny mpampianatra amin’ny toerana rehetra. Nanao ezaka ny misionera nanofana mpampianatra sy nampiely ireny mpampianatra voaofana ireny tany ambanivohitra.

Hatramin’ny andron-dRadama I dia niara-niasa tamin’ny fanjakana ny sekoly protestanta. Namporisihina tamin’ny fampiadian-tsoratra ny mpianatra. Tonga nanatrika ireny fotoana ireny ny mpanjaka. Nisy ihany koa ny subvention ho an’ny sekoly avy amin’ny fanjakana sy avy amin’ny fiangonana. Nankasitrahan’ny mpanjaka nifanesy ny sekoly protestanta ary na Ranavalona I izay nanenjika ny fivavahana aza dia nanome lanja ny sekoly. Mamolavola olona mahay, vanona, antoky ny fampandrosoana ny firenena ny sekoly protestanta.

500 taona izay ny fanavaozana nataon’i Luther ka nahafahan’ny zazavavy sy ny kilasy sosialy noheverina ambany nianatra. 200 taona no nisy sekoly protestanta izay nisokatra ho an’ny rehetra teto Madagasikara. Ny sekoly dia natao hanabeazana ny saina, ny vatana, ny sosialy , ny moraly mba ahafahana mahalala an’Andriamanitra sy miasa toa azy. Ndeha hatao ny jery todika 200 taona aty aoriana. Manao ahoana ny sekoly? Inona no zavatra tsara tazonina? Inona no lesoka arenina hahatarana ny tanjon’ny sekoly protestanta? Inona no hataonao amin’ny maha-mpampianatra , maha-fiangonanana, maha olom-pirenena anao?…….

Ravelomanana ( taona 1960)

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV